jeudi 18 octobre 2018

Alakamisy 18 Oktobra 2018 - Mat 7 : 1 - 5

1–Aza mitsara olona, dia tsy hotsarain'Andriamanitra ianareo; 2fa araka izay fomba hitsaranareo olona ihany no hitsaran'Andriamanitra anareo koa, ary araka izay fomba hamaranareo ho an'ny olona ihany no hamaran'Andriamanitra ho anareo koa. 3Nahoana moa ianao no mahita ny tapak'ahitra eo amin'ny mason'ny havana iray finoana, nefa ny vatan-kazo eo amin'ny masonao tsy tandrinao akory? 4Ary ahoana no hilazanao amin'ny havanao hoe: «Etsy hoesoriko ny tapak'ahitra eo amin'ny masonao», nefa jereo ange ity vatan-kazo eo amin'ny anao? 5Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny vatan-kazo eo amin'ny masonao; izay ianao vao hahiratra tsara ka hahaisotra ny tapak'ahitra eo amin'ny mason-kavana.

Nomen'ny Tompo Jesoa fampianarana manokana isika mba tsy hihatsaravalatsihiy sy hanaratsy namana. Mivantana amintsika izao didy izao satria mora halaim- panahy isika raha mba mijery ny namantsika.

1- Mitaona antsika handinin-tena i Jesoa
Manampy antsika hamantatra ny tenantsika sy ny toetrantsika i Jesoa mba tsy ho maika hilaza ny toetran'ny hafa isika (and.1-2). Rariny raha vitantsika ny manitsy ny tenantsika amin'ny fijerena ny hafa. Nataon'i Jesoa mazava tsara ny toe-javatra miandry izay mitsara ny namany raha hoy Izy : « ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo » izany hoe, te hisakana antsika tsy hanaratsy ny hafa mihitsy Izy satria isan'ny tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra ny mpanaratsy (lKor.6. 9-10). Aoka hotandremantsika izao didy izao fa toeran'Andriamanitra ny fitsarana.

2- Mandraisa andraikitra amin'ny tenanao

Sombin-kazo no anarana ilazàna ny zavatra hitantsika momba ny namantsika ka handratrantsika azy amin'ny teny. Zavatra tsy toy inona raha ampitahaina amin'ny momba antsika izay toy ny andry lehibe misakana ny làlana izany hoe, asaina mandray andraikitra isika hanaisotra ny sakan-dàlana toy ny fialonana, fankahalana,... izay mampizotra antsika ho very ka tsy hahita nv fiainana mandrakizay. Manan-kerv hanafaka sy hamonjy antsika i Jesoa Kristy satria izany no nandatsahany ny ràny teo amin' ny hazo fijaliana. Manapaha hevitra hanafaka ny tenantsika ao anatin'ny faharatsiana samihafa.

Fanontaniana :
Mety ve ny manana ady amin'ny manodidina ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12