mercredi 17 octobre 2018

Alarobia 17 Oktobra 2018 - Oha 21 : 1 - 8

1Ny fon'ny mpanjaka dia toy ny rano mikoriana
izay tarihin'ny tanan'ny TOMPO amin'izay tiany.
2Ny olona mihevitra ny ataony ho mahitsy avokoa;
fa ny TOMPO no mitsara ny eritreritra manesika azy.
3Ny fanaovana ny marina sy mahitsy
dia sitraky ny TOMPO kokoa noho ny sorona.
4Fijery miandranandrana sy fo miavonavona:
fahotana avokoa ny fiedinedin'ireo olon-dratsy.
5Ny tetikasan'ny olona mazoto no mampanan-karena azy;
izay rehetra mikoropaka mihary kosa mihamahantra.
6Izay harena azo tamin'ny lainga
dia etona mihelina ihany sy fandrika mahafaty.
7Ny halozàn'ny olon-dratsy no mamery azy,
satria tsy mety manao ny marina ireo.
8Miolikolika ny lalan'ny olo-meloka;
fa mahitsy kosa ny asan'ny madio fo.

1- Andriamanitra mpitarika amin'ny marina

Nanana toerana manokana ny Mpanjaka tamin'ny andron'i Solomona. Nanam-pahefana tsy refesi-mandidy izy ka izany matetika no nahatonga ny mpanjaka sasany noheverina ho andriamanitra. Na izany aza dia voambara eto, (and.l), fa llay Tompo Andriamanitra no mbola manam-pahefana aminy. Izy no Mpandanja ny fo mba hanaovantsika ny marina sy mahitsy araka ny atorony. Ny fijerintsika sy ny fisainantsika dia haviliny tsy hanota raha mino Azy sady manaiky nv fitarihany isika. Manao izay hampazoto antsika hiasa Izy kanefa tena hiasa marina sy madio. Jesoa Kristy no Ilay nanolotra ny ainy hampibebaka antsika ka hanesorany amintsika ny faharatsiana mangeja antsika.

2- Andriamanitra mpanitsy amin'ny diso

Manan-tanjona ahatanteraka ny andraikitra napetraky ny Tompo Andriamanitra isika. Ireo fa voalaza eto ny fepetra hanaovantsika ny sitrapony amin'izany (and.5-8): fanitsiana ny diso hataontsika ireo. Tsy tokony hitady làlana manitsy (maimaika) satria tsy haharitra ny vokatr'izany. Aoka tsy ho amin'ny lainga no hiasana fa ho amin'ny marina fandrao ho fongotra vetivety. Ny fitiavana ny marina sy ny mahitsy dia porofon'ny finoana sy ny fitiavana an'i Jesoa Kristy, Ilay nahavita nanadio ny Tempoly tamin'ny teniny sy ny asany. Maneke ho diovin'ny Tompo sy ahitsiny isika. Miasà amin'ny fifaliana ao amin'ny Tompo.

Fanontantana :
Inona no hahatsapanao fa mitarika anao ny Tompo ary manitsy ny diso Izv ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12