samedi 6 octobre 2018

Sabotsy 06 Oktobra 2018 - Mat 18 : 15 - 18

15–Raha diso taminao ny havana iray finoana, dia hatony; ary ianao sy izy mitokana iny no asehoy azy ny hadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny havanao. 16Fa raha tsy mihaino anao izy, dia makà olona iray na roa hiaraka aminao mba «hitombenan'ny raharaha rehetra noho ny tenin'ny vavolombelona roa na telo», araka ny voalazan'ny Soratra Masina. 17Fa raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin'ny iray Fiangonana; ary raha tsy mihaino ny iray Fiangonana koa izy, dia ataovy toy ny hafa firenena sy toy ny mpamory hetra.
18Lazaiko marina aminareo fa na inona na inona hofehezinareo etỳ an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra; ary na inona na inona hovahanareo etỳ an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra

Mpino mandrava ny fisarahana

1- Mahaiza mifampiresaka

Mampianatra ireo mpanaradia Azy ny Tompo fa rehefa misy toe-javatra manahirana eo amin'ny fifandraisana dia tsara, tena ilaina ny fifampiresahana. Izay olona mahatsapa fa nanao ny tsy rariny taminy ny rahalahiny dia manatona mba hiresaka amin'ilay noheverina fa nanao izany taminy. Ny fifampiresahana ihany no ahafahana mitandro ny fifankatiavana sy ny fihavanana.

2- Miaina amin'nv Soratra Masina

Tarihin'i Jesoa hatrany ny mpanaradia Azy fa rehefa natao ny dingana amin'ny fifampiresahina ka tsy mety miaiky ny fahadisoany ilay iray dia ilaina ny fitondrana vavolombelona roa na telo hifanatrika amin'izany. lo fitondrana vavolombelona roa na telo io dia manaraka ny fampianaran'ny Soratra Masina (Deo 19,15). Tsy ny herin'ny tena na ny saina samy irery no hamerenana ny olona ho amin'ny fihavanana fa ny fiorenana amin'izay ambaran'ny Tenin'Andriama'nitra.

3- Miorena ao amin'ny fiangonana

Raha tsy mety ihaino ireo vavolombelona roa na telo ireo ilay diso dia entina eo amin'ny fiangonana izany. Ao amin' ny fiangonana no ahitana ny fiombonan'ny tena zanak'Andriamanitra. Ao anatin'izany fiombonana izany no lalana farany ahafahana mamerina ho amin'ny lalana marina. Rariny sy hitsiny tokoa raha ny fiangonana hatrany no mamaha ny olan'ny samy zanak'Andriamanitra satria ny fiangonana no nomena ny teny fampihavanana.

Fanontaniana:
Nahoana ny olana iainan'ny Fiangonana no misy mitondra eny amin'ny fiaraha-monin'izao tontolo izao ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12