dimanche 6 mai 2018

Alahady 06 May 2018 - Eze 36 : 22 - 30

 22Koa ambarao amin'ny Israelita fa izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: Izay hataoko, ry Israelita, dia tsy noho ny aminareo no hanaovako azy, fa mba hanajana ny anarako masina izay nozimbazimbainareo tany amin'ny firenena izay nalehanareo. 23Nefa na dia nanimbazimba Ahy teo imason'ireny aza ianareo, dia hasehoko azy kosa fa Andriamanitra lehibe sy masina Aho, ary ianareo no hampiasaiko hanehoako izany. Amin'izay dia hoeken'ireo fa Izaho no TOMPO; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
24«Fa halaiko avy any amin'ny firenen-kafa ianareo ary hangoniko avy any amin'ny tany rehetra any, dia haveriko ao an-tanindrazanareo. 25Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; eny, hodioviko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny fanompoan-tsampinareo rehetra ianareo. 26Homeko fo vaovao ianareo ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo. Hoesoriko aminareo ny fo tsy miraika toy ny vato ka hosoloiko fo mora anarina. 27Ny Fanahiko mihitsy no hapetrako ao anatinareo, ka hataoko manaraka ny lalànako ianareo, ary hitandrina sy hanatanteraka ny fitsipiko. 28Dia honenanareo ny tany izay nomeko ny razanareo; ka ho vahoakako ianareo ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo. 29Hovonjeko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra ianareo. Tsy handefasako mosary intsony ianareo fa hampaniriako sady hataoko vokatra be ny varinareo. 30Hataoko vokatra koa ny hazo fihinam-boa sy ny voly eny an-tsaha, ka tsy ho voalatsan'ny hafa firenena amin'ny mosary intsony ianareo.

Ny fanavaozan'ny Fanahy Masina

1 - Mitondra fanadiovana :
"... dia hofafazako rano madio hianareo, ka hadio. ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra..." (And. 25) Mampalahelo fa ny vahoakan'Andriamanilra ihany no nandolo ny anaran'ny Tompo tany amin'ny Jentilisa. Mandrora mitsilany izy ireo ka mahavoa tena, ary dia tonga maloto eo anatrehan'ny Tompo. Soa ihany fa eo ny famindram-pon'ny Tsitoha. Manadio sy. mamela heloka Izy. Manadio ny loton'ny fahotana Izy. Ny fanavotana teo amin'ny hazo fijaliana no mahantanteraka izany.

2- Mitondra fitahiana sy fiainam-baovao:
Fo vaovao, fanahy vaovao, fahavokarana. taona zina. fandresena ny mosary, ireo no santionan'ny vokatry ny fanavaozan'ny Fanahy Masina. Mora ho an'nv olona manaikv havaozina ny manaraka fandaminana. Manaja fìtsipika mitandrina ny didin'Andríamanitra. Misy fiantraikany amin'ny fiainan'ny olona amin'ny ankapobeny ny fitarihan'ny Fanahy Masina: ara-panahy. ara-nofo. ara-tsaina satria manana mpanolontsaina hendry izy. Araka ny Deotoronomia 28, 1 - 2 dia mifamatotra amin'ny fitandremana ny didin'Andriamanitra sy fihainona ny feon'ny Tompo no mitondra ho amin'ny fitahiana. Taratry ny fiasan'ny fanahy izany.

Fanontaniana:
Inona avy ireo mampiavaka ny olom-baovao ao amin'ny Kristy?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12