mardi 8 mai 2018

Talata 08 May 2018 - Apo 11 : 11 - 13

11Taorian'ny telo andro sy tapany, dia nisy fofonaina avy tamin'Andriamanitra niditra tao anatin'ireo faty ireo, ary nampijoro azy tamin'ny tongony11.11 Ampit Ezek 37.5, 10.; ka raiki-tahotra mafy izay olona nahita azy. 12Dia nahare feo mahery avy tany an-danitra ireo mpaminany roa ireo, nanao taminy hoe: «Miakara atỳ!» Dia niakatra ho any an-danitra tao anatin'ny rahona11.12 Ampit 2 Mp 2.11. ireo, ary nahatazana azy ny fahavalony. 13Tamin'izay fotoana izay dia nisy horohorontany mafy ka nirodana ny ampahafolon'ilay tanàna ary olona fito arivo no matin'io horohorontany io. Raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra an'ilay Andriamanitra monina ao an-danitra.

Ny Fanahy nomen'ny Tompo antsika

1- Fanahy mahavelona
"... dia nisy fanahin'aina avy tamin'Andriamanilra niditra tao anatin'ireo". Matetika dia misy fomba fijerintsika olombelona mitsara ny zava-misy izay mitranga. Refesin'ny olona araka ny hafoin'ny fisainany ny fiasan'ny Tompo. Mazava ny voalaza ao amin'ny Gen. 18, 14 manao hoe: "Fa moa misy zava- mahagaga izay tsy hain'i Jehovah va? Araka izany dia hain'ny Tompo no manangana amin'ny maty. Hain'ny Tompo ny manova ny toe-javatra izay heverina hoe tsy misy fanantenana intsony. Vitany ny mamerina amin' ny laoniny ny fahasimbana sv faharavana. Raha mino ianao dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra.

2- Fanahy Mampijoro
"... ary nijoro tamin'ny tongony izy". Mahay manarina ny lavo ny Tompo. Mahay mampitraka ny mitanondrika. Mahay mampahery ny kivy. Hoy Izy hoe: "Ampaherezo ny tànana miraviravy. ary hatanjaho ny lohalika malemy. (Isa 35. 3). Na eo aza ny rivotra mifofofo na maro aza ireo mikasa handavo sy hamingana dia tsy maintsy mijoro hatramin'ny farany isika. Fa hoy ny Tompo: "miorena tsara aza miova". Ny fampaherezana avy amin'nv Fanahy Masina no mampijoro sy mampahery antsika.

Fanontaniana:
Milazá fanarenana sy fanavaozana nataon'nv Tompo teo amin'ny fiainanao.

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12