lundi 14 mai 2018

Alatsinainy 14 May 2018 - Job 33 : 1 - 7

1Meteza ianao, ry Jôba, hihaino ny kabariko
ary mampandria sofina amin'ny teniko rehetra.
2Indro efa hanoka-bava aho
fa efa mby eo an-delako ny teny.
3An-kitsimpo tanteraka no hitenenako
ka dia hilaza ny tena marina aho.
4Fa Fanahin'Andriamanitra no nahariana ahy
ary fofonain'ilay Tsitoha no mamelona ahy.

5Valio aho, raha azonao atao;
omany ny fotokevitrao, ka mifanatreha amiko.
6Fa mitovy isika eo anoloan'Andriamanitra:
tanimanga no samy namolavolana antsika.
7Ny tahotra ahy tsy mampihontsona anao,
ary ny fahefàko tsy mitambesatra aminao.

Sarobidy ny namana tarihin'ny Fanahy Masina

1- Manana fahendrena miavaka :
Teo anatrehan'ny voina nihatra tamin'i Joba dia niezaka nampahery azy i Bildada sy Elifaza ary Zofara. Nivoatra ho fifandresen-dahatra teo amin'izy telo lahy sy Joba izany. Hatreo amin'ny toko faha iraika ambin'ny telopolo dia izy efa-dahy no nifandahatra. Rehefa afa-po tamin'ny fitenenana ireo zokiolona ireo dia izay vao nanapa-kevitra hiteny kosa Eliho. Nanamarika izy fa tsy miankina amin'ny taona ny fahendrena fa miankina amin'ny fanekena ny fitarihan'ny Fanahy Masina. (32, 7 - 8). Voasoratra hoe : "ny fanahy izay ao anatin'ny zanak'olombelona sy ny fofonain'n'y Tsitoha no mahahendry azy " mivantana kokoa ny andininy faha sivy manao hoe : "tsy dia ny fahalehibeazana no mahahendry, ary tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny rariny".

2- Manitsy mananatra :
"Ny hitsim-poko no hiseho amin'ny teniko . ..holazaina tsy hasiana fìtaka" (And. 3). Nambaran'i Eliho fa tsy mety ny manome tsiny ain'Andriamanitra. (And. 13). Tsy misalasala izy nanambara ny fahambonian'ny Tompo. (And. 12). Ilaina ny miteny amin'ny hitsiny tsy misy Hataka, araka ny voasoralra hoe: "ao ny andro anginana ary ao ny andro itenenana" (Mpito 3, 7b). ilaina ny fahasahiana miteny sy mananatra amin'ny fotoana mety.

Fanontaniana:
Ahoana no ahafantarana ny tena namana?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12