jeudi 10 mai 2018

Alakamisy 10 May 2018 - Sal 57 : 7 - 11

7Ireo fahavaloko efa namelatra
fandrika harato tamin'ny lalako
mba hampitanondrika ahy;
nihadiany longoa teo anoloako,
kanjo izy ihany no latsaka tao.

8Andriamanitra ô, mitombina dia mitombina ny foko57.8 Ampit Sal 108.2.
ka hihira sy hankalaza Anao amin-tsalamo aho.
9Mifohaza, ry fanahiko; mifohaza, ry valiha sy lokanga,
fa tiako hofohazina ny mazavatsinanana.
10Tompo ô, vory vahoaka no hiderako Anao
ary eo anivom-pirenena no hankalazako Anao amin-tsalamo,
11satria lehibe tafapaka amin'ny lanitra ny fitiavanao
ary avo tafapaka amin'ny rahona ny fahamarinanao.

Mandresy ny sarotra ny mpino

1- Feno fatiatokiana:
Raha ny toe-javatra natrehan'i Davida, dia noheverina fa ny tahotra, ny tebiteby. ny fanahiana no mibahana eo aminy. Ny mifanohitra amin'izany anefa no nitranga teto. Manoloana ny fanenjehana. fifofoana izay nataon'i Saoly, dia niatrika izany ampahatokiana tanteraka I Davida. Hoy izy hoe "tafatoetra ny foko Andriamanitra ò. eny tafatoetra ny foko'" (And; 7). izany dia midika hoe mitombona tsara, tsy misy ahiahy, tsy misy tebiteby, mahitsy, entitra, tsy miroa saina, satria miaraka amin'ilay Mpiandry Tsara. Jesoa Kristy dia feno fahatokiana na dia nisedra zava-tsarotra aza. Sahia mijoro manoloana ny lalan-tsarotra.

2- Manandratra avo nv anaran'ny Tompo :
Hafa mihitsy ny fomba fiatrehan'i Davida olana: fiderana. fankalazana. fanandratana, fanomezam- boninahitra ny Tompo. Efa tsinjony sahady ny valim-bavaka. Fantany llay inoany. Mampianatra antsika izao fijoroain'i Davida izao mba hananantsika fanantenana eo ampiatrehana ny fotoan-tsarotra. Tsy vahaolana ny fimonomononana sy ny fifanomezan- tsiny. Azo atao ny miatrika am-pifaliana amin'ny alalan'ny fiderana tahaka ny nataon'i Paoly sy Silasy tao an-trano maizina (Asa 16. 25).

Fanontaniana:
Nahoana no mbola mahavita misaotra sy midera ny Tompo ireo mpiara-manompo amintsika na dia misedra zava-tsarotra aza?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12