dimanche 13 mai 2018

Alahady 13 May 2018 - I Kor 2 : 12 - 16

12Raha izahay, dia tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao fa ny Fanahy avy amin'Andriamanitra, mba hahalalanay ny tombon-tsoa rehetra efa nomen'Andriamanitra anay. 13Ary tsy teny ampianarin'ny fahendren'olombelona no itenenanay momba izany, fa teny ampianarin'ny Fanahin'Andriamanitra; ka izay manana io Fanahin'Andriamanitra io2.13 izay manana io fanahin'Andriamanitra io: dkt hafa teny avy amin'io Fanahin'Andriamanitra io.  no anazavanay ny zavatra ampitain'ny Fanahin'Andriamanitra.

14Fa ny olona tsy manana ny Fanahin'Andriamanitra dia tsy mahay mandray ny fanomezana ampitain'izany Fanahy izany; fa ataony ho fahadalana izany, sady tsy hainy fantarina velively, satria ny Fanahin'Andriamanitra ihany no ahafantarana izany. 15Afaka mitsara ny zavatra rehetra ny olona manana ny Fanahin'Andriamanitra kanefa tsy azon'olona tsaraina. 16Fa hoy ny Soratra Masina hoe:

«Iza moa no mahafantatra ny fisainan'ny Tompo,
ka ho afaka hanolo-tsaina Azy2.16 Is 40.13, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta.?»
Fa izahay kosa dia manana ny fisainan'i Kristy!

Ny Fanahy izay noraisintsika

1 - Mahatonga antsika hisaotra sy hankasitraka ny Tompo:
Voasoratra fa ny Fanahy Izay avy amin'Andriamanitra dia mahatonga antsika ahafantatra izay zavatra nomen' Andriamanitra. Ny Tompo dia sady tsara no mpanao ny tsara. Miara-miasa ahasoa ireo fanomezany ho antsika. Na tsy takatry ny saintsika eo no ho eo aza ny haben'ny fitiavany, ny azo antoka dia mikatsaka izay ahasoa antsika mandrakariva Izy. Araka izany, ny fahaizana misaotra sy mankasitraka ny fanomezany dia singa iray mampiavaka ireo nandray Fanahy avy Aminy. Joba mpanompon' Andriamanitra dia nahay nankasitraka ny fitantanan' Andriamanitra ny fiainany na dia nandalo fotoan-tsarotra aza izy.

2 - Mahatonga antsika mahay misafidy :
Voasotra fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra" (And. 16). Tsy ary mampandroso daholo anefa ireo fa ao ny tsara, ao ny ratsy. Mampiavaka ny olona araka ny Fanahy ny fìzorany amin'ny safìdy tsara. Harena lehibe ho antsika ny fahaizantsika manavaka ny tsara sy ny ratsy, ny vary sy ny tsiparifary, ny marina sy ny diso; Andriamanitra dia mitaona antsika hanana safidy tsara eo amin'ny fiainana.

Fanontaniana
Tanisao izay fitondran-tena takiana ao an-tranon' Andriamanitra fantatrao. Samy hata amin'ny atao any ivelany ve izany?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12