dimanche 27 mai 2018

Alahady 27 May 2018 - Isa 61 : 1 - 9

1Ny Fanahin'ny Tompo ANDRIANANAHARY no ato amiko,
satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy61.1 And 1-2: jereo Lk 4.18-19. –And 1: jereo Mt 11.5; Lk 7.22.
mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin'ny malahelo,
hanasitrana ny olona torotoro fo,
hanambara fanafahana ho an'ireo babo
sy famoahana ireo gadra avy ao am-ponja,
2hanambara ny taona hanehoan'ny TOMPO fanambinana
sy ny andro hanafaizan'Andriamanitra ny fahavalony
ary hitondra fampaherezana ho an'ny misaona rehetra61.2 Ampit Mt 5.4..
3Manao fisaonana an'i Tsiôna ireo,
kanefa hirahina aho hanome azy ribà fehiloha
ho solon'ny lavenona amin'ny lohany,
hanome diloilo manitra ho solon'ny alahelo
sy fitafiana fitondra amin'ny fety
ho solon'ny toetra manjoretra.
Amin'izay no hiantsoana azy ireo hoe:
«Hazo vokatry ny fitahiana,
saha nambolen'ny TOMPO
mba hanehoany ny famirapiratany.»
4Haorina indray ireo zavatra rava fahiny,
hatsangana indray ny trano nirodana taloha;
hohavaozina ny tanàna rava,
dia ireo efa simba hatry ny ela be.

5Vahiny no hitsangana hiandry ny ondry aman'osinareo,
olona avy any an-kafa no hiasa ny tany
sy hamboly voaloboka ho anareo.
6Ianareo kosa dia hantsoina hoe:
«Mpisorona ho an'ny TOMPO»,
na holazaina koa hoe:
«Mpanao fanompoam-pivavahana
ho an'ny Andriamanitsika.»
Hanasoavana anareo ny fananan'ny firenen-kafa;
ary ianareo no higalabona amin'ny voninahiny.

7Efa nizaka henatra indroa heny ianareo
sady afa-baràka sy nandroran'ny olona.
Ka ho solon'izany, dia hoy Izaho Tompo hoe:
Handova anjara indroa heny eo amin'ny taniny ianareo
ary hanana fifaliana maharitra mandrakizay.
8Satria Izaho TOMPO dia tia rariny
ka mankahala ny fandrobana an-kafetsena;
homeko onitra ara-pahamarinana ianareo
ary hanaovako fanekempihavanana mandrakizay.»

9Ho fantatra any amin'ny firenen-kafa ny taranakareo,
ary eo anivon'ireo vahoaka ny solofonareo;
izay rehetra mahita azy dia hiaiky
fa taranaka tahîn'ny TOMPO izy.

Ny andraikitr'izay nomena ny Fanahy

1- Hampahery sy hampitraka ny mila vonjy
Ny and. 1 dia mampitodika antsika amin'ny teny nilazan'i Jesoa ny tenany ao amin'nv Lio 4, 14-21. Mpanompon'i Jehovah no anarana iantsoana ity olona nomena ny Fanahy ao anatiny ity : kanefa mety azo iantsoana antsika koa izany, noho isika nomena ny Fanahv Masina. Tsy mahazo mipetraka hianina amin'izay mety ho fahamasinany fotsiny ny olona nomena ny Fanahy, fa tsy maintsy mandray andraikitra. Hery manetsika antsika handray andraikitra hiantra sy hampahery ary hanampy ny mila vonjy ny Fanahy Masina. Jereo ary ny manodidina antsika, ka diniho izay andraikitra manandrify anao. Aza manao fìalana amin'ny hoe : Izaho koa mba tokony hovonjena, fa misy andraikitra manandrify antsika tsirairav avy, izay nomena ny Fanahy ao amin'nv fìaraha-monina sy amin'ny manodidina.

2- Hanambara sy hitory ary hitondra fanafahana
Zava-dehibe ny fahafahana sy ny fanafahana. Sady hitory sy hanambara ny fanafahana izay ataon'Andriamanitra amin'nv alalan'i Jesoa isika, no nasaina hiady amin'ny fomba samihafá, hamoahana izay voagadra sy voafatotra ary voageja (and.lb.2a). Tsy fanafahana ara-panahy ihany izany, ka aza variana fa ny tanintsika voageja sy voafatotry ny kolikoly sy ny tsy fahamarinana ary ny lainga, ny mpiara-belona voafatotry ny fahantrana sy voageja toa tsy mahita izay hatao. Nirahin'ny Tompo isika tsy hiteny f'otsiny fa tena handray andraikitra. amin'ny maha irak'i Kristy antsika. hanaporofo fa Mpanafaka i Jesoa izay toriantsika. Ny hanao izany no antony nanomezana antsika ny fanahy Masina, koa raiso ny andraikitrao.

Fanontaniana:
Inona ary ahoana tokoa no hanafahantsika ireo voageja ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12