mercredi 16 mai 2018

Alarobia 16 May 2018 - Fit 5 : 19 - 22

19Ianao kosa, TOMPO ô, dia mipetraka mandrakizay
eo amin'ny sezafiandriananao;
ary ny fanjakanao no maharitra
amin'ny taonjato mifandimby.
20Koa ahoana no anadinoanao anay hatrany
sy andaozanao anay mandritra ny andro-piainanay?
21TOMPO ô, ampivereno aminao izahay
mba hiverenanay aminao tokoa;
havaozy ny fiainanay ho toy ny fahiny.
22Sa holavinao tanteraka ve izahay
na hiharan'ny hatezeranao mihoa-pampana?

Ny mpino manao vavaka fibebahana

Toloko sy fitarainan'ny vahoakan'Andriamanilra babo tany Babylona ny fitomaniana. Vavaka fitalahoana mamarana ny bokin'ny Fitomaniana ity Mofonaina anio ity ary vavaka fibebahana. ka ilay mpino rehefa mivavaka dia :

1 - Mahatsapa nv fahamarinan'ny Tompo
Eo amin'ny and.19 dia mazava ny filazan'ilay mpivavaka ny toetran'Andriamanitra . Tsy miova Izy fa Andriamanitra azo antoka. Marina sy tsy miova fitiavana ny Tompo, ka izany no ahasahiantsika manonona vavaka fifonana sy fibehahana eo anatrehany. Ny fahamarinana no manosika Azy hamindra fo sy hiantra (vakio Sal 145. 17). Marina ny Tompo ka tsy mitsahatra fa mikaro-kevitra hatrany hamonjena antsika. Izany no antony nanomezany antsika ny Zanany sy ny Fanahy Masina. Koa tsarovy io toetran' Andriamanitra io rehefa manao vavaka fitarainana noho ny fahoriana mianjady aminao ianao.

2 - Mampahatsiaro nv maha olom-boafidy azy
Eo amin'ny and.2o indray dia sahy mampiharihay ny maha olom-boafidy azy ilay mpvavaka. Ny voafidin'Andrianianitra mantsy tsy mba ariany satria mpanompony (Isa 41. 9). lzany no ahafahany manontany hoe : «Ahoana no dia hanadino anao manandrakizay ? » Toky sy fanantenana ho an'ny mpino izany satria olom-boafidy isika. Tsy manary antsika ny Tompo, ary izany no nanirahan'i Jesoa ny Fanahy Masina ho aty amintsika, mba tsy hahatonga anlsika ho toy ny kamboty (Jao 14. 18). Koa manána fahasahiana mba hanipahatsiaro an'Andriamanitra izany maha olom-boafìdy anao izanv.

Fanontaniana:
Inona no tokony holazaina ankoatra ireo, araka ny and 21-22 rehefa mivavaka ka mitaraina sy mitoloko ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12