mercredi 30 mai 2018

Alarobia 30 May 2018 - Sal 51 : 6 - 12

6Ianao irery tokoa no nanotako,
ny ratsy eo imasonao no nataoko;
hany ka ara-drariny Ianao raha miteny,
ary tsy omen-tsiny raha manadidy51.6 Ity andalana ity dia tsiahivina ao amin'ny Rm 3.4..
7Jereo fa meloka aho no teraka,
mpanota raha notorontoronina;
8nefa ny hahitsy ao anaty no sitrakao,
koa ny fahendrena am-po no atoroy ahy.

9Ataovy afa-pahotana tokoa aho, dia hadio;
sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka.
10Ataovy reko ny famelanao,
dia hifaly sy hiravo indray aho;
ary aoka hibitaka ny taolako
izay efa voamontsamontsanao.
11Hadinoy tanteraka ny fahotako
ary koseho avokoa ny heloka vitako.
12Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô,
fanahy mahatoky no aoreno ato anatiko.

« Aza manary ahy hìala eo anatrehanao, ary aza manaisotra ny Fanahìnao Masina amiko » (and. 11)

Ny asan'ny Fanahy Masina

Sarotra ka ilam-pitandremaiia ny mamaritra ny asan'ny Fanahy. Ny voalaza ao amin'ny Soratra Masina irery ihany no ahazoana mamantatra na asan'ny Fanahy, na tsia, ny tranga iray sy ny toetra, na fìhetsika, na fanambarana ataon'ny olona iray.

1- Mitaona ny mpino ho havaozina ny Fanahy
Aoka tsy ho hadinoina fa vavaka fifonana sy fiaiken-keloka ny Sal 51. na isika Fiangonana ankehitriny aza dia mampiasa an'io Salanio io ho toy izany koa. Amin'izany fifonana izany no ilazana hoe : « Aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko », satria ny vokatra sy asan'ny Fanahy no manavao nv olona, mba tsy handehanany araka ny filan'ny nofo intsony (Gal 6. 16). Tsy misy fihavaozana marina raha tsy manaiky hotarihin'ny Fanahy isika. Zary fifonana imolotra ihany ny fiaikentsika heloka sy ny fifonantsika raha tsy ekentsika ny hotarihin'ny Fanahy.

2- Mitaona ny olona hibebaka ny Fanahy
« Aza manary àhy hiala eo anatrehanao, ary aza manaisotra ny fanahinao Masina Amiko.» Raha adika tsotra io andalan- teny io dia hoe : Tanò mafy mba hitoetra eo anatrehanao mandrakariva aho ; aoka tsy ho lavitra, na hanalavitra Anao aho. Ny mpino miaiky heloka ka te hanatona sy hanakaiky, ary maniry hitoetra eo anatrehan'ny Tompo no atao hoe mibebaka. Tsy tanteraka izany raha tsy noho ny asan'ny Fanahy, koa izany no italahoany koa hoe : "Aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko". Mandresy lahatra ny olona hibebaka nv Fanahy.

Fanontaniana:
Nahoana no misy mpino mandray ny Fanahy fa tsy mihavao, na hita vokatra eo amin'ny fìainany ny fibebahany ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12