mardi 15 mai 2018

Talata 15 May 2018 - Lio 12 : 8 - 12

8–Izao no lazaiko aminareo: na iza na iza manaiky ho mpiandany amiko eo anatrehan'ny olona, ny Zanak'olona koa mba hanaiky ho mpiandany aminy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra! 9Fa izay mandà tsy ho mpiandany amiko eo anatrehan'ny olona12.9 Ampit 2Tim 2.12., ny Zanak'olona koa mba handà tsy ho mpiandany aminy eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra.

10Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa izay manevateva ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka.

11Raha entina hotsaraina eo amin'ny sinagôga na eo anatrehan'ny mpitondra sy ny manampahefana ianareo, dia aza manahy ny amin'izay havalinareo na izay holazainareo; 12fa ny Fanahy Masina no hampianatra anareo eo no ho eo ihany izay tokony holazainareo.

Ny fanekena an'i Jesoa Kristy

1 - Ambarao eo anatrehan'ny olona
Ilaina ny fahasahiana hijoro sy hanambara ankarihary ny fanekena an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ny tena. Voasoratra fa "Raha manaiky an'i Jesoa ho Tompo amin'ny vavanao hianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena hianao. (Rom 10. 10). Zava- dehibe ny fanekena atao eo anatrehan'Andriamanitra sy ny fiangonana araka izany. Ilàna fahasahiana ny fijoroana vavolombelona. Tsy mifidy toerana. tsy mifidy fotoana. Na eo ìmason'ny fahavalo sy ny hafa finoana aza dia ilaina ny fijoroana amin'izay inoana. Aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika. (2 Tim 1, 8)

2 - Aseho amin'ny alalan'nv fitondran-tena isanandro
 Na amin'ny teny, na amin'ny asa, fíhetsika, fikasana, ny lalan-kizorana dia samy anehoana ny fanekena an'i Jesoa Kristy : any ampiasana, any ampianarana, eny antanimboly. eny ampivarotana, eny anivon'ny fiaraha- monina amin'ny fíainana andavanandro dia samy ijoroana ho mpanompon'i Kristy. Araka ny voasoratra hoe : "aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino ianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondratena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana" (ITim 4, 12)

Fanontaniana:
Oviana ary taiza no nanekenao an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainanao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12