vendredi 11 mai 2018

Zoma 11 May 2018 - Mat 12 : 31 - 37

31Noho izany, hoy Aho aminareo: havelan'Andriamanitra avokoa ny heloka rehetra vitan'ny olombelona ary koa ny fanevatevana rehetra ataony an'Andriamanitra; fa izay manevateva ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka. 32Na iza na iza manao teny manohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka; fa na iza na iza miteny manohitra ny Fanahy Masina dia tsy hahazo famelan-keloka na amin'izao fiainana izao na amin'ny fiainan-ko avy.

33–Ataovy hoe tsara ny voany ka tsara koa ny hazo, na ataovy hoe ratsy ny voany ka ratsy koa ny hazo: satria ny voany no ahafantarana ny hazo. 34Ry tarana-menarana, hataonareo ratsy fanahy ahoana no fiteny zavatra tsara? Izay mameno ny fon'ny olona manko no aloaky ny vavany. 35Ny olona tsara fanahy dia mamoaka zavatra tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny olona ratsy fanahy dia mamoaka zavatra ratsy avy amin'ny rakitra ratsin'ny fony. 36Ary lazaiko aminareo fa ny olona, amin'ny andro fitsarana dia hampamoahina momba ny teny tsy misy antony rehetra nataony: 37satria ny teninao no hanomezan-drariny anao ary ny teninao no hanamelohana anao.

Ny mpino manaiky ho havaozin'ny Fanahy Masina

1- Hita taratra amin'izay ataony
"...Fa ny voany no ahafantarana ny hazo" (And. 33). Eo anatrehan'ireo anaram-boninahitra sy andraikitra samihafa eo amin'ny mpanara-dia ny Tompo. dia tsy mora ny manavaka ny vary sy ny tsiparifary. Mipoitra eny ihany anefa ny afenina rehefa ela ny ela. Tahaka ny Fariseo, izay sarotim-boninahitra, tsy ny fanasitranana vitan'i Jesoa Kristy no jereny, fa lany andro mamantatra zavatra hafa izay mivaona amin'ny zava- misy. Na dia miezaka mamilivily ny fahamarinana aza ireo dia ambaran'i Jesoa fa fantatra amin'ny voa eny ihany ny hazo. (And. 33). Izay milaza fa vahoakan'Andriamanitra nefa mandà an'i Jesoa Kristy dia mpandainga.

2- Hita taratra amin'izay teneniny
Misy indray fatratra raha ny fahitana azy aty ivelany: ny andraikitra misy azy, ny fombafomba ataony. dia toa olona tsy manan-tsiny. Rehefa ela ny ela dia hita taratra amin'ny teny avoakany eny ihany ny ao am- pony satria "Avy amin'ny haben'ny ao am-po no itenenan'ny vava". (And. 34). Ilaina ny fijoroana vavolombelona amin'ny alalan'ny fitenenana izay ifandraisantsika amin'ny hafa. Ilaina ny manambara ny fahatsaran'i Kristy amin'ny manodidina antsika.

Fanontaniana :
Inona no tokony hatao mba ahatonga ny fihetsika sy ny fiteny hifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12