samedi 5 mai 2018

Sabotsy 05 May 2018 - Rom 8 : 1 - 8

1Koa ankehitriny dia tsy misy intsony fanamelohana ho an'izay tafaray amin'i Kristy Jesoa. 2Fa ny fanapahan'ny Fanahy Masina, mpanome aina ho an'izay tafaray amin'i Kristy Jesoa, dia nanafaka ahy8.2 nanafaka antsika: misy stf sasany ahitana hoe nanafaka anao ary misy ahitana hoe nanafaka antsika.  tsy ho voafehin'ny fanapahan'ny fahotana sy ny fahafatesana. 3Satria izay tsy vitan'ny lalànan'i Mosesy, noho ny lalàna nolemen'ny maha olona mpanota, dia notontosain'Andriamanitra. Voahelok'Andriamanitra ny fahotana tao amin'ny maha olona mpanota fony Izy naniraka ny Zanany, Izay naka ny endriky ny maha olombelona mba hanaisotra ny fahotana. 4Notontosain'Andriamanitra izany mba ho tanteraka ao amintsika ny zavatra rehetra takîn'ny lalàna amintsika, dia isika izay mizotra tsy araka ny maha olona mpanota intsony fa araka ny Fanahy Masina. 5Eny, izay miaina araka ny maha olona mpanota, dia mirona amin'ny zavatra ankafizin'ny maha olona mpanota; fa izay miaina araka ny Fanahy Masina, dia mirona amin'ny zavatra ankafizin'ny Fanahy Masina. 6Satria ny firònan'ny maha olona mpanota dia mitondra amin'ny fahafatesana; fa ny firònan'ny Fanahy Masina dia mitondra amin'ny fiainana sy ny fiadanana. 7Ny firònan'ny maha olona mpanota dia mifanohitra amin'Andriamanitra, ka tsy manoa sady tsy afa-manoa ny lalànan'Andriamanitra akory. 8Fa izay anjakan'ny maha olona mpanota dia tsy mety ho sitrak'Andriamanitra.

Ny mampiavaka ny fihevitry ny Fanahy sy ny fìhevitry ny nofo

1- Nv fihevitry ny nofo dia fahafatesana ( And. 6a)
Mitanisa sy manazava izany manomboka eo amin'ny andidiny fahafito; "Fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo". Hafa niihitsy ny mahamaika sy mahadodona ny nofo: fahafinaretana, filan'ny maso, fìlan'ny sofina, ny rehak'izao fiainana izao. Ny mpino Kristiana dia tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra hanajanona tanteraka ny fanaon'izao tontolo izao. Mitondra ho amin'ny fahafatesana ny fihevitry ny nofo satria misarika amin'ny fahotana izany ary fahafatesana no tambin'ny ota. Tsy maintsy mahafehy tena eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina ny mpino mba handresena ny asan'ny nofo.

2- Ny fihevitrv ny Fanahy dia fiainana sy fiadanana. (And. 6b)
Hafa mihitsy ny fianan'ny olona mizotra eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina. Afaka amin'ireo geja sy fatotra maro samihafa: Ny fihevitrv nv Fanahy dia manafaka amin'ny fanamelohana ho avy, manafaka amin'ny fahotana sy ny fahazaran-dratsy. Manafaka amin'ny vokatry ny fahotana dia ny fahafatesana. Olona afaka amin'ny fanaon'izao tontolo izao.

Fanontaniana
Ampitahao ny Galatiana 5: 19 - 23 sy ny Romana 8: 6. Inona no azo tsoahina avy amin'izany?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12