lundi 28 mai 2018

Alatsinainy 28 May 2018 - Gal 5 : 16 - 18

16Izao kosa no teniko: mandehana araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina ianareo, dia tsy hahatanteraka ny fanirian'ny maha olona mpanota. 17Fa ny maha olona mpanota dia manam-paniriana manohitra ny fanirian'ny Fanahy Masina; ary ny Fanahy Masina dia manam-paniriana manohitra ny maha olona mpanota: mifanohitra izy roroa, hany ka tsy izay zavatra sitrakareo no ataonareo5.17 Ampit Rm 7.14-23.. 18Kanefa raha tarihin'ny Fanahy Masina ianareo, dia tsy fehezin'ny lalàna intsony.

Miantoka ny fandresentsika ny asan'ny Fanahy

1- Mampandresy antsika amin'ny filan'ny nofo izany
Amin'ny lafiny iray, ny hoe : "mandeha araka ny fanahy" (And.16) dia mizotra manaraka ny bitsiky ny Fanahy. Ny Fanahy Masina, araka ny nambaran'i Jesoa dia tsy hilaza. na hibitsika amintsika zavatra vaovao hafa. fa hampahatsiaro ihany izay efa nambarany (Jao 14, 26). Koa nv bitsiky ny Fanahy dia fampahatsiarovan'ny Fanahy Masina antsika ny tenin' Andriamanitra efa rentsika, efa notoriana sy nampianarina antsika. Tsy ho feo hafa voaraintsika tamin'ny nofy, na fahitana samihafa izany, fa araka ny tenin' Andriamanitra efa notorina tamintsika ihany. Henoy izany ka ankatoavy, dia handresy ny fitarihin'ny sitrapontsika adala isika. dia ilay sitrapontsika mandresy lahatra hanatanteraka ny filan'ny nofo.

2- Manafaka antsika amin'ny finoana hafa izany
Ny and. 18 no milaza fa raha mandeha araka ny Fanahy ny mpino dia tsy ambanin'ny lalàna. Andeha ho raisina ho finoana ny zioga sy gejan'ny lalàna. Finoana sy fivavahana jiosy izany. Miorina sy mifantoka amin'ny fanarahan-dalàna ny fivavahana jiosy. Maro ny finoana sy fivavahana mitaona sy mandresy lahatra antsika, te hanazioga sy hangeja ireny na dia finoana sy fivavahana aza. Koa henoy ary araho ny feon'ny Fanahy fa tsy hiteny amintsika afa tsy ny Tenin'Andriamanitra Izy, ary izany no hanafaka antsika amin'ny finoana tsy izy samihafa, mba tsy hitotototoantsika any amin'izay milaza azy ho Fiangonana nefa tsy izy fa fikambanana. Mitandrema fandrao ho voafitaka. Ny asan'ny Fanahy ihany no hanome fahazavan-tsaina antsika hananantsika ny fanahin'ny fahaiza-manavaka.

Fanontaniana:
Nahoana isika no tsy afaka manao izay tokony hatao eo amin'ny fitondran-tena kristiana, araka ny and. 17?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12