jeudi 17 mai 2018

Alakamisy 17 May 2018 - Efe 4 : 1 - 6

1Koa mangataka aminareo aho, dia izaho izay migadra noho ny amin'ny Tompo: manàna fitondrantena mendrika ny fiantsoan'Andriamanitra anareo. 2Manetre tena lalandava, aoka halemy fanahy sady hahari-po. Mifandefera amim-pitiavana. 3Aoka ny fihavanana no hifamatoranareo, dia hazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy Masina ianareo. 4Iray ny tena ary iray ny Fanahy, toy ny maha iray ny fanantenana niantsoan'Andriamanitra anareo. 5Iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa; 6iray Andriamanitra sady Rain'ny kristianina rehetra, manjaka amin'izy rehetra, miasa amin'ny alalan'izy rehetra ary mitoetra ao amin'izy rehetra.

Mampiray ny mpino ny Fanahy Masina

Malaza eo amintsika Protestanta ny fiteny hoe : firaisana sy fiombonana ao anatin'ny fahasamihafana. Tsy tanteraka izany raha tsy noho nv asan'ny Fanahv mampiray.

1- Taomina hitandrina izany ny mpino
Any am-pigadrana i Paoly Apostoly no manoratra ity taratasy ity ho an'ny Fiangonana. Mananatra sy mitaona ary miangavy nv mpino tao Efesosy izy mba hitandrina ka hanetry tena, halemy fanahy ary hifandefitra amin'ny fìtiavana. Izany no anehoana ny fiombonan'ny mpino sy ny maha iray antsika. Asan'ny Fanahy no miteraka izany. Tsy azontsika atao ny hiziriziry hampiseho ny « maha isika antsika ». Misakana ny asan'ny Fanahy Masina ny fitenintsika matetika hoe: « Izay no maha izaho ahy !» Tandremo ny toetrantsika mba tsy handrava ny fiombonana. na hampisy elanelana, na hanangana efitra manipisaraka fa tsy asan'ny Fanahy Masina izany.

2- Taomina hanana zotoim-po hitana ny firaisana ny mpino
Ny and.3 - 6 amin'ity Mofonaina ity dia teny fandresen- dahatra mba handrosoan'ny firaisana sy ny fiombonana eo amin'ny fiainan'ny mpino. Aoka isika tsy hionona amin'ny hoe: Tsy manohitra ny fiombonana ; fa mazotoa. aza kamokamo, na tsy harisika hiasa ho amin'ny firaisana. Atombohy ao am-piangonana izany, mba ho mafy orina entintsika mamintrana ny fihavanana sy ny firaisam-pirenena, efa mivahavaha ao amin'ny fiarahamonina. Mila ezaka sy asa avy amintsika izany, koa asehoy ny tenanao ho « mazoto mitana ny firaisana ».

Fanontaniana
Inona no tena maha iray antsika mpino. ary ahoana no ijoroanisika ho vavolombelon'nv firaisana ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12