jeudi 31 mai 2018

Alakamisy 31 May 2018 - Lio 11 : 9 - 13

 9Ka hoy Aho aminareo: mangataha, dia homena; mitadiava, dia hahita; dondòny, dia hovohana. 10Fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. 11Araka ny hevitrareo, iza no raim-pianakaviana hangatahan-janany11.11 Aorian'ny hoe hangatahan-janany, misy stf sasany manampy hoe mofo ka hanome azy vato? na hangatahany... Jereo Mt 7.9. trondro ka tsy hanome azy trondro fa bibilava? 12Na hangatahany atody ka hanome azy maingoka? 13Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo; tsy mainka ve ny Ray Izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina an'izay mangataka aminy?

Ny fanomezana tsara indrindra

1- Ilam-pitandremana sao tsy ho voaraintsika
Misy teny telo andidian'ny Tompo ataontsika eto: "mangataha, mitadiava, dondòny". Fihetsika asain'nv Tompo ataontsika ireo, ary somary takona ao am-badika ny hoe, mangataha amin'ny Tompo, mitadiava ao Aminy, arv dony varavarana Izy. Olana lehibe ny fakam-panahy hiheverantsika fa isika efa ao an-tranon'ny Ray, tsy any ivelany, ka tsy ilaina mandondòna intsony; Ray mahalala ny homena antsika zanany Izy ka tsy ilaina akory ny mangataka Aminy; efa eo anatrehany isika, atobany ho amintsika ny zava-tsoa rehetra ka tsy ilaina intsony ny mitady zavatra ao Aminy. Fakam-panahy izany, ka tandremo ! Mazava ny tenin'i Jesoa, natao ho antsika ary mandidy antsika : " Mangataha, mitadiava, dondòny... "

2- Fanahy Masina izay angatahina amin'nv Ray
Ny and.13 no mampiseho amintsika ny fahambonian' Andriamanitra mihoatra lavitra noho ny Ray niteraka. Manaporofo izany ny hoe : « tsy mainka va ny Rav, izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina » Raintsika Izy, ary ny fangatahantsika Aminy no ahazoana antoka anomezany antsika ny Fanahy Masina. Na dia efa nirahin'ny Ray tamin'ny Anaran'i Jesoa aza ny Fanahy (Jao 14. 26) dia ampirisihina isika hangataka izany. lo no fanomezana tsara indrindra mba hitarika antsika hananantsika ny toetran'ny fahamasinana. hanantsika ny toetran'ny zanaka mba hahasahiantsika miantso Azy ho Ray (Rom 8, 16 ; Gal 4, 6). Angatahina ny Fanahy Masina, satria tena fakam-panahy koa ny hoe efa nomeny ka tsy ilaina angatahina intsony.

Fanontaniana:
Moa misy fanomezana tsara sy sarobidy hafa nomen'ny Tompo antsika koa ve ankoatra ny Fanahy Masina?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12