vendredi 18 mai 2018

Zoma 18 May 2018 - Jao 4 : 19 - 24

19Dia hoy ravehivavy taminy:
–Hitako, Tompoko, fa mpaminany Ianao! 20Ireo razanay Samaritanina dia nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa ianareo Jiosy kosa milaza fa any Jerosalema4.20 Voailika tsy ho anisan'ny ankohonambe jiosy intsony ny Samaritanina ka nanorina tempoly teo amin'ny tendrombohitra Gerizîma, tendrombohitra akaikin'i Sekema renivohitra taloha. –any Jerosalema: ampit Sal 122.1-4. no tsy maintsy ivavahana.

21Fa izao no tenin'i Jesoa taminy:
–Minoa Ahy ianao, ramatoa! Avy ny andro izay tsy hivavahana amin'ny Ray eto amin'ity tendrombohitra ity na any Jerosalema intsony. 22Ianareo Samaritanina dia mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; fa izahay Jiosy kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria mipoitra avy amin'ny Jiosy ny famonjena4.22 Ampit Is 2.3; Rm 9.3-4.. 23Kanefa, ho an'ireo tena mpivavaka, dia avy ary efa tonga sahady aza ny andro izay hivavahany amin'ny Ray araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina sy araka ny tena fivavahana marina; satria ny mpivavaka aminy araka izany no tadiavin'ny Ray. 24Andriamanitra dia Fanahy, ary ny mpivavaka aminy dia tsy maintsy mivavaka araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina sy araka ny tena fivavahana marina.

"Andriamanitra dia Fanahy, ary izay mivavaka Aminv dia tsy maintsy mivavaka amin 'ny Fanahv ..." (and.24)

Ny fivavahana amin'Andriamanitra

1- Fivavahana amin'ny toerana rehetra
Manerana ny toerana rehetra Andriamanitra. satria Fanahy Izy. Nandresy lahatra ilay vehivavy Samaritana momba izany i Jesoa. Nihevitra ny Samaritana fa tao amin'ny tendromhohitr'i Gerizima izay toeram-pivavahan-dry zareo ihany no tena ìzy, ary saro-piaro tamin'izany ny Samaritana. Namaly azy i Jesoa fa ho avy ny andro ka sady tsy eo amin'ilay tendrombohitra, no tsy any Jerosalema izany, satria hirahina ny fanahy, ary Andriamanitra dia Fanahy ka manerana ny toerana rehetra. Izany no tsy anaovantsika kristiana fivahiniana masina any Jerosalema, na dia nateraka ho Jiosv aza i Jesoa. Azo atao toeram-pivavahana ny toerana rehetra. satria "Andriamanitra dia Fanahy".

2-Fivavahana omban'nv fitarihan'ny Fanahy
" ...izay mivavaka Aminy dia tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy..." Ny hevitra iray fonosin'izany dia hoe : lzay mivavaka amin'Andriamanitra Fanahy dia mivavaka amin'ny fitarihan'ny Fanahy. Ny fivavahana sy vavaka tsy eo ambany fitarihan'ny Fanahy dia zary fivavahana ara-pomba ihany : vavaka isehoana sy am-pahazarana ka mety mivaona amin'ny tsy izy. na ho vavaka vonjy tavan'andro ka fidifidiana ho amin'ny foloana miavaka ihany no mandeha miangona : Batisan'ny fianakaviana. mariazy, Krismasy sy ny andro miavaka. Raha mbola izany no fanaontsika dia miovà, fa tsy maintsy mivavaka araka ny fitarihan'ny Fanahy isika.

Fanontaniana:
Moa takatrao ve ny atao hoe : mivavaka amin 'ny Fanahy ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12