samedi 26 mai 2018

Sabotsy 26 May 2018 - Sal 104 : 24 - 30

24Endrey ity hamaroan'ny asanao, TOMPO ô!
Tamim-pahendrena no nanaovanao azy rehetra:
henika ny zava-boaarinao ny tany!
25Ny ranomasina, indro lehibe sy midadasika;
ao no miriaria tsy tambo isaina
na ny biby madinika na ny vaventy;
26ao no mivezivezy ny sambo; ao koa i Leviatàna,
ilay trozona namboarinao ho tsilalaonao.

27Izy rehetra ireny dia miankina aminao,
mba hanome hanina azy ara-potoana.
28Raha manome Ianao, dia mandray izy;
raha sokafanao ny tananao,
dia voky zava-tsoa izy.
29Raha lavinao ny hijery azy,
dia mitebiteby izy;
raha alainao ny ainy, dia maty izy
ka miverina ho vovoka indray.
30Alefanao ny Fanahinao, dia ary indray ireo
ka mihavao ny zavatra rehetra eto ambonin'ny tany.

"Maniraka ny Fanahìnao lanao dia ary izy, ary manavao ny tarehin 'ny tany íanao" (and.30)

Mamelona sy miahy ny asany Andriamanitra

1- Miahy sy mitsimbina antsika Izy
« Maniraka ny Fanahinao lanao dia àry izv » Tsy velona ary tsy mahalavorary ny asany ny voary rehetra raha tsy eo ny asan'ny Fanahy. Ny asa faharian'Andriamanitra dia tsy mitoetra fotsiny eo amin'ny fanamboarana, na famoronana ny zavatra mbola tsy nisy ho tonga misy, fa mihitatra mankany amin'ny famelomana sy fiahiana mba hikendrena ny fandavorarian'ny zava-boary rehetra ny asany. araka izay nikendren'Andriamanitra azy. Voariny ary asany isika ka miahy sy mitsimbina ary mamelona antsika Izy. Ny fanomezany ny Fanahiny no miantoka izany, sady ny Fanahiny no Andriamanitra miaraka amintsika ankehitriny. Omeny hitarika antsika ny Fanahy mba ho lavorary koa ny asa sy ny andraikitra ifidianan'ny Tompo sy anirahany antsika.

2- Manavao ny endriky ny tany Izy
« Ary manavao ny tarehin'ny tany íanao » Hatrany amin'ny Gen 1, 2 dia niasa tamin'ilay tany tsy nisy endrika sady foana ny Fanahy. Tanv foana sy tsy misy endrika ary tsy azo iainana, na tsy mahavelona no nisy raha tsy miasa ny Fanahin'ny Tompo. Potika ny tontolo iainana ankehitriny, koa tsy ny ezaka ataon'ny olona sy ny fikambanana mpanao asa soa ihany no tokony hianteherana, fa angataho indray ny Fanahy. ary isika mpino maneke hotarihin'ny Fanahy ho fiasana mpanavao ny tarehin'ny tany, ho fiainana ho an'ny mpiara-belona amintsika.

Fanontaniana:
Azo ampifandraisina amin'ny fanazavan-kevitra eto ve ny voalaza ao amin'nv Efe 2. 10?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12