mardi 22 mai 2018

Talata 22 May 2018 - Gen 1 : 1 - 5

1Tamin'ny fiandohana, fony Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany1.1 Fomba fandikanteny roa no azo arahina eto: anankiray ny mijanona eo amin'ny tany, ka lasa karazana lohahevitra sy mahaleo tena ny and 1; nefa koa anankiray hafa ny manakambana ny and 1 sy ny and 2 araka izao endriny izao dia mitohy tsara ny fehezanteny. 2dia tsy nisy endriny sady foana ny tany fa ny haizina no nandrakotra ny lalina, ary ny Fanahin'Andriamanitra1.2 ny Fanahin'Andriamanitra: azo adika koa hoe ny fofonain'Andriamanitra, na ny rivotra mahery.  no nanomba tambonin'ny rano.

3Ary Andriamanitra niteny hoe: «Misia mazava.» Dia nisy mazava1.3 And 3: jereo 2Kôr 4.6.. 4Hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava, koa nosarahiny ny mazava sy ny haizina. 5Ny mazava nantsoin'Andriamanitra hoe andro, fa ny haizina kosa nantsoiny hoe alina. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro voalohany.

Ny asan'ny Fanahy amin'ny fahariana

Mbola mpahary ve Andriamanitra ankehitriny, sa efa vitany tany ampiandohana ny asa fahariana, ka sanatria efa mipetra-potsiny Izy? Fanontaniana tsy tokony haroso izany, nefa mampieritreritra, ka anairanany saintsika sy ny finoantsika.
Miharihary eto amin'ny Gen 1, fa fanahin'Andriamanitra no lohalaharana amin'ny fahariana. Efa nanatrika tao anatin'ny haizina sy mialohany nitenenan'Andriamanitra Izy. Miasa mitondra fahariana ny Fanahy. Ny farahiana doa tsy fampahariana ny tsy mbola nisy ho tonga misy ihany, na famoronana zavatra vaovao; fa fahariana koa ny famonjena sy ny fanavaozana ary ny fanomezana aina. Ny olona voavonjy sy nandray famelankeloka tao amin'I Kristy, sy tamin'ny anaran' I Jesoa Kristy koa dia voahary vaovao, ary izany no ilazana fa olomboavonjy izy (II Kor 5 : 7).
Anisan'ny asa fahariana koa nu fanaovana zavatra "tsara". Izany no antony ahitantsika ny teny miverimberina hoe : "Hitan'Andriamanitra fa tsara ...". Ny "tsara'' amin'ny fahariana dia tsy tarafina amin'ny endrika amambika ihany, fa tsaraina amin'ny fandavorariana  ny asany, araka izay nikendren'Andriamanitra azykoa. Izany no hevitra fototra tian'ny Soratra Masina havoitra.Tsy ho lavorary ny asany raha tsy eo ny asan'ny Fanahy Masina, asan'Andriamanitra koa isika, ary voahary vaovao sady olom-boavonjy, koa manekeny Fanahy masina mba hanao asa tsara (Efe 2 : 10). Tsy ny hakanton'ny asa ihany , fa ny fahalavorariany araka ny sitrapon'Andriamanitra. Fadio ny kitoatoa, kendreo ny tanjona amin'ny asanao mab hitondra soa sy fitahiana ho an'ny mpiara-belona. Ny fitarihan'ny Fanahy no miantoka izany.

Fanontaniana :
Ahoana ny fandraisanao ny Efe 2 : 10 araka izany?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12