vendredi 25 mai 2018

Zoma 25 May 2018 - I Sam 10 : 1 - 10

1Tao Ramà, tany amin'ny faritra be tendrombohitra any Efraîma, dia nisy lehilahy anankiray anisan'ny taranak'i Tsofo1.1 Ramà: tanàna tokony ho 40 km any avaratra andrefan'i Jerosalema.. Io lehilahy io dia natao hoe Elkanà, zanak'i Jerohama, zafikelin'i Elihò, zafiafin'i Tôhò ary zafindohalik'i Tsofo. 2Nanam-bady roa izy, dia i Hanà sy i Peninà. I Peninà dia nanan-janaka, fa i Hanà kosa tsy mba niteraka.

3Isan-taona i Elkanà dia nandao an'i Ramà tanànany mba hivavaka sy hanao sorona amin'ny TOMPOn'izao rehetra izao tany Silao1.3 Silao: tanàna tokony ho 30 km any avaratr'i Jerosalema (jereo Jos 18.1-10).; mpisoron'ny TOMPO tao koa i Hôfnỳ sy i Pinehasa zanakalahin'i Helỳ. 4Fanaon'i Elkanà rehefa manao sorona ny manome anjara ho an'i Peninà sy ny zanany rehetra; 5fa i Hanà kosa dia notolorany anjara manokana, satria tiany aoka izany izy na dia nataon'ny TOMPO momba aza. 6Nitady hatrany izay hanorisorenana an'i Hanà anefa ny rafivaviny, ka nandrabiraby azy noho io nanaovan'ny TOMPO azy momba io. 7Ary isan-taona dia izany foana no zava-mitranga rehefa mba tonga ao an-tranon'ny TOMPO i Hanà; nanao izay hampalahelo azy foana i Peninà, ka nitomany sy tsy nety nihinan-kanina izy. 8Dia hoy i Elkanà vadiny taminy: «Hanà ô, nahoana ange ianao no mitomany sy tsy mety mihinan-kanina? Nahoana koa ianao no malahelo toa izao, moa tsy mihoatra noho ny zanaka folo ve ny tenako aminao?»

9Indray andro, tao Silao, rehefa tapi-nisakafo ny olona, dia nitsangana i Hanà fa i Helỳ mpisorona kosa nipetraka teo an-tokonam-baravaran'ny TOMPO. 10Nalahelo mafy i Hanà, ka sady nigogogogo nitomany no nanao tamin'ny Tompo izao vavaka

« Ary hilatsaka aminao ny Fanahin'i Jehovah, ka hiara-maminany aminy ianao, dia ho voaova ho olom-baovao »

Ny asan'ny Fanahy eo amin'ny olona

1- Mampiombona
Ny nandraisan'i Saoly ny Fanahin'i Jehovah no niombonany tamin'ireo vondrona mpaminany, na " mpaminany iray dia " izay nantsoina hoe : zanaky ny mpaminany. Mampiombona ny Fanahy, ary mampiray sy mampikambana an'ireo izay samy efa nandray ny Fanahy. Tsy asan'ny Fanahy ny samy maka ho azy ao am-piangonana, ka lasa rafipifaninana miteraka fialonana, na dia mody amboarina amin'ny hoe : fifaninanana masina aza izany. Asehoy fa iray ny Fanahy, ka mampiray antsika.

2- Mampiteny nv sitrapon'Andriamanitra
« Hiara-maminany aminy ianao.. », hoy i Samoela tamin'i Saoly. Tsy naminany i Saoly raha tsy nandray ny Fanahin'i Jehovah. Ny olona maminany dia tsy ny milaza zavatra ho avy, fa ny miteny ny hafatra sy milaza ny sitrapon' Andriamanitra. Anisany ireo izay mitoriteny sy mitory Filazantsara. Tsy handray ireo andraikitra ireo isika raha tsy manaiky hotarihin'ny Fanahy. Tsy efan'ny sain'ny olona fotsiny ny fanambarana ny Tenin'Andriamanitra.

3- Manova ny olona ho vaovao
"Ho voaova ho olom-baovao (ianao)" Olona hafa, no heviny eto, na hoe : tsy ho toy ny teo aloha intsony. Tsy mitovy ny toetra sy fiainan'ny olona mbola tsy nandray ny Fanahy sy ny efa nomena ka nandray ny Fanahy. Matoa tsy mahatsiaro fiovana isika, dia mety ho nandray ny Fanahy ihany isika, nefa fa tsy manaiky hotarihin'ny Fanahy.

Fanontaniana:
Moa samihafa ny mandray ny Fanahy sy ny tarihin'ny Fanahy ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12