samedi 19 mai 2018

Sabotsy 19 May 2018 - I Jao 4 : 12 - 16

12Tsy mbola nisy olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana4.12 Ampit Jôh 1.18.; fa raha mifankatia isika, dia mitoetra ao anatintsika Andriamanitra, ary lavorary ao anatintsika ny fitiavana Azy.

13Ny ahafantarantsika fa mitoetra ao anatin'Andriamanitra isika ary Izy ao anatintsika, dia ny Fanahiny efa nomeny antsika. 14Ary izahay efa nahita ka dia vavolombelona manambara fa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an'izao tontolo izao4.14 Ampit Jôh 3.17; 4.42. ny Ray. 15Na iza na iza manaiky an'i Jesoa ho Zanak'Andriamanitra, dia mitoetra ao anatiny Andriamanitra ary izy ao anatin'Andriamanitra. 16Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika.

Andriamanitra dia fitiavana; koa izay mitoetra ao amin'ny fitiavana no mitoetra ao anatin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao anatiny.

Mifandray amintsika ilay Andriamanitra miafina

Tena mahagaga ny fomban'Andriamanitra! Miafina izy, nefa mifandray sy mitoetra ao amintsika. Misy prorofo:

1- Amin'ny toetrantsika maneho fitia mifamaly
Ny and.12 amin'ily Mofonaina androany ity no milaza fa tsy hita ary miafina ny Tompo, nefa mitoetra ao amintsika. Tsy maintsy hita vokatra eo amin'nv toetrantsika izany dia ny fanehoantsika fitia mifamaly. na fifankatiavana. Izay itoeran' Andriamanitra dia misy fitiavana, satria Andriamanitra dia fitiavana. Ny fifankatiavana no manamarina sy manaporofo fa mitoetra ao amin'ny olona Andriamanitra.

2- Amin'ny fanekena hotarihin'ny Fanahy
Ny fifankatiavana no voalaza eo aloha fa porofon'ny fitoeran'Andriamanitra ato amintsika, fa ny Fanahy izay nirahina ho ao amin'ny mpino kosa no mitarika azy hitoetra ao Aminy, mba hanamafy orina ny fifandraisantsika amin' Andriamanitra. Ekeo hitarika antsika ny Fanahy dia ho mafy orina ny fiombonana sy ny fifandraisantsika amin' Andriamanitra. Amin'izay. dia Izy ho ato amintsika ary isika ho ao Aminy.

3- Amin'ny fanekena ny finoana an'i Jesoa
Amin'ny finoana an'i Jesoa koa no ifandraisantsika amin'llay Andriamanitra miafina Amin'ny fìnoana fa nirahin'ny Ray hamonjy ny izao tontolo izao izy (and.14). Tsy ampy ny hoe : mino an'Andriamanitra Ray, fa izav rehetra te hifandray Aminy dia tsy maintsy manaiky ampahihemaso ny finoany an'i Jesoa ho zanak' Andriamanitra. Na i Jesoa aza efa nilaza hoe : « Minoa an' Andriamanitra arv minoa Ahv koa » (Jao 14. 1).

Fanontaniana:
Marina amin'ny finoana kristiana ve ny tenim-pahendren'izao tontolo izao hoe : « Nohariana hotiavina ny olona » ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12