mercredi 9 mai 2018

Alarobia 09 May 2018 - I Tes 1 : 1 - 10

1Avy amiko Paoly ity taratasy ity.
Mamangy anareo isan'ny Fiangonana atỳ Tesalônika1.1 Silasy: jereo Asa 15.22. –Timôty: jereo Asa 16.1. –Tesalônika: i Salônika no anaran'io tanàna io ankehitriny; any amin'ny faritra avaratr'i Gresy no misy azy (jereo koa 2Kôr 1.16 sy nta). Momba ny nitoeran'i Paoly tao voalohany, jereo Asa 17.1-9; 1Tes 2.1-2., izay tafaray amin'Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo, aho. Mamangy anareo koa i Silasy sy i Timôty. Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana!

2Velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitra izahay ny aminareo rehetra, rehefa mahatsiaro amin'ny vavaka ataonay. 3Tsaroanay tsy tapaka eo anatrehan'ilay Andriamanitsika sady Raintsika ny asa ateraky ny finoanareo, ny fikelezana aina asesiky ny fitiavanareo, ary ny faharetana vokatry ny fanantenanareo an'i Jesoa Kristy Tompontsika1.3 finoana... fitiavana... fanantenana: ampit 1Kôr 13.13.. 4Fantatray, ry havana, fa efa notiavin'Andriamanitra ianareo ary efa nofidiny mba ho Azy. 5Eny, ny Vaovao Mahafaly torînay dia tonganay tatỳ aminareo, tsy tamin'ny teny fotsiny ihany fa tamin'ny hery aman'asan'ny Fanahy Masina mbamin'ny fankatoavanay tanteraka ny Vaovao Mahafaly. Fantatrareo koa ny fiaimpiainanay fony izahay tatỳ aminareo ho fanasoavana anareo. 6Sady nanahaka anay sy ny Tompo ianareo; fa na dia be aza ny fahoriana nanjo anareo, dia nandray ny tenin'Andriamanitra tamin'ny hafaliana avy amin'ny Fanahy Masina ianareo1.6 Jereo Asa 17.5-9.. 7Koa dia tonga ohatra ho an'ny mpino rehetra eran'i Masedônia sy i Akaîa ianareo1.7 Masedônia: jereo 2Kôr 1.16 sy nta. –Akaîa: jereo 2Kôr 1.1 sy nta.. 8Nanako avy teo aminareo ny tenin'ny Tompo, ka tsy hoe nanerana an'i Masedônia sy i Akaîa ihany, fa niely hatraiza hatraiza koa ny lazan'ny finoanareo an'Andriamanitra; hany ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona. 9Fa izy rehetra dia milaza ny momba anay ka mitantara ny nidiranay tatỳ aminareo sy ny nialanareo tamin'ny sampinareo ka nitodihanareo tamin'Andriamanitra, mba hanompoanareo ilay Andriamanitra velona sady marina. 10Andrasanareo koa ny hahatongavan'ny Zanany avy any an-danitra, dia i Jesoa Izay efa natsangany ho velona avy tany amin'ny maty sady mpanafaka antsika amin'ilay fahatezeran'Andriamanitra ho avy.

Mandrosoa ho any amiirny lalina
Lohateny azo omena ity Mofonainantsika androany ity izany, mba hahazoana mitaratra ny fomba fiasa sy ny endriky ny fiaraha-miasa amin'ny fanompoana an' Andriamanitra.

1 - Miasà amin'ny finoana:
Azo atao ny mahita vokatra sy fahombiazana rehefa atao amim-pinoana izay atao.

2- Mikeleza aina amin-pitiavana:
Hafa mihitsy ny fahavitrihana rehefa atao ampitiavana ny fanompoana. tsy mitandro hasasarana.

3- Mahareta amin'ny fanantenana:
Manana lazon'ady ny olona raha sady manana faharetana izy no efa manantena sahady ny vokatra andrasany.

4- Fantaro fa sarobidy ny fifidianana anareo:
Izany indrindra no hanafaran'ny Tompo hoe: "Tano mafy izay ananao mba tsy hisy haka nv satro-boninahitrao" (Apo3, 11)

5- Aoka ho tonga fianarana hoan'ny mino ianao
Amin'ny fiteny. amin'ny fìtondran-tena . amin'ny fitiavana. amin'ny finoana. amin'ny fahadiovana. (I Tim. 4: 12). Ankoatry ny finoana azo avy amin'ny toriteny, dia ny fijoroana ho fanasina sy fahazavana amin'nv fiainana andavanandro no mitondra vokatra.

Fanontaniana :
Lazao ireo dingana vitan'ny mpiara-manompo aminao ka mampisaotra ny Tompo sady nampahery anao
Ahoana no tokony hatao mba hanovàna ireo zatra nianakiana sy mitsikera ny hafa fotsiny?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12