mercredi 23 mai 2018

Alarobia 23 May 2018 - Asa 4 : 27 - 31

27Marina tokoa fa i Herôda sy i Pônty Pilato, niaraka tamin'ny olona hafa firenena sy ny vahoaka israelita, dia nivondrona teto amin'ity tanàna ity mba hanohitra an'i Jesoa Mpanomponao masina, Izay natokanao ho Mesia4.27 Jereo Lk 23.7-11; Mt 27.1-2; Is 61.1.. 28Notanterahin'izy ireo izay efa notendrenao rahateo tamin'ny herinao sy ny fikasanao. 29Tompo ô, hitanao ankehitriny ny fandrahonany, koa omeo anay mpanomponao ny hery hitoriana ny teninao amim-pahasahiana tokoa; 30ahinjiro ny tananao hahasitrana ary hahatontosa famantarana sy zava-mahagaga amin'ny anaran'i Jesoa ilay Mpanomponao masina.

31Rehefa avy nivavaka ireo mpino, dia nihovitrovitra ny trano niangonany ary feno Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamim-pahasahiana.



Ento eo amin'ny Tompo ny olana sy ny manahirana

1- Lazao Azy ny fototry ny olana
Vavaka nataon'i Petera sy i Jaona ary ireo mpino namany izao Mofonaina izao. Tsy nihafahafa izy ireo eo amin'ny and.27 nilaza ny fototry ny olana sy ny sokajin'olona mpanohitra ny finoana, ka nahatonga ny olana rehetra. Isika koa. rehefa tojo zava-manahirana, dia aza misalasala milaza amin'ny Tompo ny fototrv ny olana. Tsy hoe manao tatitra, na mampahafantatra. fa mitaraina. Tsy ampahafantarinao ny zava-misy ny Tompo, satria efa fantany izany. Fa natao itarainana sy ilazana ny zava-manjo mbamin'ny fototry ny olana kosa Izy.

2- Angataho ny hidirany an-tsehatra
« Jereo ny fandrahonany» (and.29). Fangatahana ny hándraisan'ny Tompo an-tanana ny toe-draharaha izany, ary sady fitalahoana Aminy mba hiditra an-tsehatra. Tsara hataontsika izany, satria ny Tompo efa nampanantena antsika fa ho fahavalon 'ny fahavalontsika, ary ho rafn'ny rafìntsika (Eks 23, 22), sady momba sy hamonjy (Jer 1, 8.19 ; 15, 20). Ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra amin'ny trangan-javatra iray manjo antsika dia tsy maintsy mitondra famonjena.

3-Angataho ny hanomezany hery
Tsy nangataka ny hanafoanana ny olana sy ny fanenjehana ireo mpino mivavaka ireto. fa nangataka ny hanomezana hery sy fahasahiana aza. Notanterahin'ny Tompo ny fangatahin'izy ireo, ka izany no nanomezany ny Fanahy Masina (and.31). Tsy ny hanesorana ny olana matetika no vahaolana, fa ny hanomezana herin'ny Fanahy hiatrehana ny zava-misy.

Fanontaniana:
Moa azo ampitahaina amin'ny an'i Jesoa tao Getsemana ve ny hevitra eto ? (Vakio hanampy antsika ny Lio 22, 39 — 46)

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12