mardi 29 mai 2018

Talata 29 May 2018 - II Kor 3 : 12 - 19

12Satria manana izany fanantenana izany izahay, dia be fahasahiana tokoa. 13Izahay dia tsy tahaka an'i Mosesy izay nisaron-tava mba tsy hahitan'ny vahoaka Israely ny fiafaran'ilay famirapiratany mihelina3.13 Jereo Eks 34.3.. 14Fa nihadonto ny sain'ny vahoaka Israely; ary mandraka androany dia tsy nesorina ny zava-manarona ny sainy, fa mbola ao ihany raha mamaky ny boky mirakitra ny Fanekempihavanana Taloha3.14 ny boky mirakitra ny Fampihavanana Taloha na mirakitra ny Testamenta Taloha.  izy ireo; satria ho an'ny olona tafaray amin'i Kristy no foana izany sarona izany. 15Mandraka androany, isaky ny vakîna ny bokin'i Mosesy, dia mbola misarona ihany ny fon'ny vahoaka Israely. 16Fa isaky ny miverina amin'ny Tompo kosa ny olona, dia miesotra izany sarona izany3.16 isaky ny... izany sarona izany: dkt hafa isaky ny mitodika amin'ny Tompo izy (Mosesy), dia esoriny ny saron-tavany. Jereo Eks 34.34.. 17Ka ny hoe Tompo eto dia ny Fanahy; fa ao amin'izay itoeran'ilay Fanahin'ny Tompo no misy fahafahana. 18Isika rehetra kosa dia tsy mba misaron-tava, fa toy ny fitaratra tarafin'ny voninahitry ny Tompo; ka dia miova endrika hanahaka ny Tompo isika, sady mitombo hatrany ny famirapiratantsika, araka ny asa tontosain'ilay Fanahin'ny Tompo.

Mitondra fiainana ho antsika ny Soratra Masina

1- Rehefa mitarika antsika ho ao amin'i Kristy
Ny and. 14 — 16 no amerimberenana, toy ny manamaly fa tsy hiala mihitsy ilay fisalobonanana, na voaly manarona ny tavan'ny olona manaikv sy mihaino ny lalàna, izay ny Testamenta Taloha, raha tsy i Kristy no manala izany. Amin'ny finoana an'i Jesoa ho Kristy ihany no ahazoana manala io voaly manarona io. Voasaron'io voaly io ny tavan'izay tsy mino Azy, ka tsy mahalala na inona na inona. Koa ivelan'i Kristy dia tsy misy heviny ny Testamenta Taloha, ary tsy hazava. Izany no ilazana mandrakariva fa ny Testamenta Taloha dia hazavain'ny Testamenta Vaovao ; nefa ny Vaovao dia miafina ao amin'ny Testamenta Taloha koa. Izy roa miaraka, na ny Soratra Masina manontolo no mitondra fiainana ho antsika kristiana ankehitriny, fa ny iray (Taloha) milaza an'i Kristy, ary ny faharoa manondro an'i Jesoa ho Kristy.

2- Rehefa manaiky ho tarihin'ny Fanahy isika
« Rehefa miverina ao amin 'ny Tompo izy, dia hesorina ihany ny fisalobonana » (and. 16). Ny Fanahy Masina no ambara koa hoe Tompo, araka ny and.17. Ny fitarihan'ny Fanahy ihany no mampahazava ny Soratra Masina, ary hery manala ny voaly manakona ny masontsika tsy andraisantsika ny fiainana entin'ny Soratra Masina manontolo. Tsy masom- panahy araka ny fitenintsika mahazatra izany, fa ny fisainana, ny fihevitra, ny finoana sy ny maro hafa dia hibirioka amin'ny tsy izy, na dia mamaky Soratra Masina aza isika, raha tsy eo ny fitarihan'ny Fanahy. Koa angataho ny Fanahv ary maneke hotarihiny mandrakariva.

Fanontaniana:
Moa azonao tsara ve ny fotokevitra manao hoe : Ny Soratra Masina irery ihany, ary ny Soratra Masina manontolo ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12