jeudi 24 mai 2018

Alakamisy 24 May 2018 - II Pet 1 : 16 - 21

16Tsy angano tsara lahatra no narahinay, raha nampahafantatra anareo ny hery nampombana ny fiavian'i Jesoa Kristy Tompontsika, fa tena nahita maso ny fiandrianany izahay. 17Eny, nahazo haja amam-boninahitra tamin'Andriamanitra Ray i Jesoa, raha tonga teo aminy ilay feo avy tamin'Andriamanitra be voninahitra indrindra nanao hoe: «Ity no Zanako Malalako; Izy no sitrako.» 18Renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka tamin'i Jesoa tany an-tendrombohitra masina izahay1.18 and 17-18: jereo Mt 17.1; Mk 9.2-7; Lk 9.28-35..

19Ary mafy orina kokoa ho antsika ny tenin'ireo mpaminanin'Andriamanitra; ka tsara raha ifantohanareo izany toy ny ifantohanareo amin'ny jiro mamiratra anaty toerana maizimaizina, mandra-pahazàvan'ny andro sy mandra-piposaky ny kintana fitarikandro ao am-ponareo. 20Izao anefa voalohany indrindra no tsara ho fantatrareo: ny fivoaboasana ny teny faminaniana rehetra raketin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany1.20 ny fivoaboasana... fotsiny ihany: dkt hafa ny teny faminaniana rehetra raketin'ny Soratra Masina dia tsy misy avy amin'ny fisainan'ny mpaminany fotsiny ihany. ; 21satria na oviana na oviana tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona, fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona izay nentanin'ny Fanahy Masina.

Hamafiso orina ny finoana

1- Aoreno amin'ny Tenin'Andriamanitra
Marobe ny fampianarana feno hafitsifetsena notorin'ny sasany, tamin'ny andron'ny Apostoly, ka nanimba ny fiainan'ny fiangonana voalohany. Mitovy amin'ny ankehitriny ihany izany. Izany indrindra no ijoroan'i Petera ho vavolombelona, eo amin'ny and. 18, tamin'ny nandrenesany mivantana an'Andriamanitra niteny, nandritra ny fiovan-tarehy tao an-tendrombohitra (Mar 9. l). Izany no ilazany hoe : « manana teny mafy orina kokoa isika » (and. 19). Voarakitra ao amin'ny Soratra Masina izany ankehitriny. Ao no anovozy ny Tenin'Andriamanitra hanamafy orina fìnoana. Izany no mahatonga ny Protestanta hanamafy hoe : Ny Soratra Masina irery ihany. Ivelan'ny Soratra Masina dia anganongano foronina.

2- Aoreno amin'ny famoahan-kevitry ny Soratra Masina
Ny andininv roa, ny faha-20 sy 21 dia milaza ny famoahan- kevitry ny Soratra Masina. Misy anjaran'ny olona izany, eo an-daniny ary ny Fanahy Masina, an-kilany. Tsy fìsainan'ny olona fotsiny amin'ny fìanarana sy famakafakana ary fandalinana fa tsy maintsy eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina. Samy hadisoana ny filazana, na ny hoe : asan'ny Fanahy fotsiny ny famoahan-kevitry ny Soratra Masina, na ny hoe : vitan'ny asa sainan'olombelona izany. Ny tena finoana dia ny Tenin' Andriamanitra ampitainy avy amin'ny Soratra Masina, ka hazavain'ny olona araka izay itondran'ny Fanahy Masina azy (vakio ny and.21b). Izany no re ao am-piangonana, koa aoreno amin'izany ny finoantsika.

Fanontániana:
Ahoana ny hevitsika : momba ny filazana fa tsy ilaina nv mianatra sy mandalina fa asan'ny Fanahy irery izany ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12