dimanche 5 août 2018

Alahady 05 Aogositra 2018 - I Sam 22 : 11 - 23

11Koa nampiantsoan'ny mpanjaka i Ahimelèka mpisorona sady zanakalahin'i Ahitoba, mbamin'ny mpisorona rehetra tao amin'ny fianakaviany izay nipetraka tao Nôba; ary tonga niseho teo anatrehan'ny mpanjaka avokoa izy rehetra. 12Dia hoy i Saoly tamin'i Ahimelèka:
–Henoy àry, ry zanakalahin'i Ahitoba.

Ka novaliany hoe:
–Inty aho, tompoko.

13Dia hoy i Saoly taminy:
–Nahoana no nioko hanohitra ahy ianao sy ny zanakalahin'i Jisay. Nomenao mofo sy sabatra izy; ary nanontany ny Tompo ho azy koa ianao, mba hijoroany hanohitra sy hamandrika ahy tahaka izao anio izao.

14Hoy kosa no navalin'i Ahimelèka azy:
–Iza amin'ny mpanomponao rehetra ireo no mba mahatoky indrindra tahaka an'i Davida vinanton'ny mpanjaka, mpiambina ny tenanao ary nohajaina fatratra tao an-dapa? 15Ary moa sambany androany no nanontaniako ho azy tamin'Andriamanitra? Koa sanatriaviko ny hikomy aminao, ry mpanjaka! Aza ahiahînao aho mpanomponao na ny fianakaviako fa tsy mahalala na inona na inona momba izany rehetra izany aho.

16Fa hoy ny mpanjaka hoe:
–Ry Ahimelèka, tsy maintsy matiko ianao sy ny fianakavian-drainao manontolo.
17Avy eo dia hoy ny mpanjaka tamin'ny miaramila mpanotrona azy teo akaikiny:
–Ndeha vonoy ho faty ny mpisoron'ny TOMPO, fa niray tsikombakomba tamin'i Davida izy ireo, satria nahafantatra ny fandosiran'i Davida izy, kanefa tsy nampandre ahy.

Fa ny mpanompon'ny mpanjaka kosa tsy sahy nikasi-tanàna ny mpisoron'ny TOMPO. 18Koa hoy ny mpanjaka tamin'i Dôega:
–Mandehana vonoy ho faty ireo mpisorona ireo.

Dia lasa tokoa i Dôega ilay Edômita ka izy mihitsy no namono nahafaty ny mpisorona. Lehilahy 85 mpisalotra ny akanjo masina no matiny androtrio ihany. 19Ary i Nôba tanànan'ny mpisorona koa nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ka ringana avokoa na ny lehilahy na ny vehivavy, na ny ankizy na ny zaza minono, na ny omby na ny boriky na ny ondry. 20Izany Abiatara zanakalahin'i Ahimelèka sy zafikelin'i Ahitoba izany ihany no hany afa-nandositra, ka namonjy nankany amin'i Davida.
21Nambaran'i Abiatara an'i Davida ny nandringanan'i Saoly ireo mpisoron'ny TOMPO.

22Ka hoy i Davida tamin'i Abiatara:
–Tamin'iny andro iny, dia hitako tsara fa tao Nôba koa i Dôega ilay Edômita, ka fantatro fa hitantara ny zava-drehetra tamin'i Saoly izy. Koa ny tenako no tompon'andraikitra tamin'ny fahafatesan'ny fianakavian-drainao manontolo. 23Mitoera eto amiko ary aza matahotra; fa izay mitady ny ainao dia mitady ny aiko koa. Ho tsara antoka ianao eto.

Iharan'ny herisetra ny mpisorona
1- Mijoro amin'ny fahamarinana ny marina
Abimeleka mpisorona nenjehina noho ny nanomezany an'i Davida mofo sy sabatra ary nanontany an'Andriamanitra ho azy (and 13). Fanompoan'ny mpisorona ny manambara ny marina amin'nv mpanjaka sy ny vahoaka. Iharan'ny herisetra ataon'i Saoly i Abimeleka. Nampangain'i Saoly ho manomana fanoherana ny mpanjaka izy (and 13). Manambara ny marina ny mpisorona : i Davida dia mahatoky, mpanolotsaina sady vinanton'ny mpanjaka rahateo, hoy izy (and 14). Rehefa mitoky mafy amin'ny fahefany sy ny heriny ny mpanjaka dia manao herisetra amin'ny marina sy ny irak' Andriamanitra. Nandà ny famonoana ireo mpisorona ny mpanompon'ny mpanjaka noho ny fahamarinana (and 17).

2- Mihatra aman'aina ny fiainana amin'ny fahamarinana
Notanlerahin'ny mpanjaka ny famonoana ny mpisorona dimy amby valopolo. izay niakanjo ny akanjo fisoronana na efoda fotsy (and IS). Ny tanànan'nv mpisorona mihitsy no naringany, hatramin'ny zaza amam-behivavy. Mpanao herisetra mandrakariva ny Edomita avy amin'ny taranak'i Esao. Mitondra fahoriana ny marina noho tsy fankatoavan'ny manam-pahefana ny sitrapon'Andriamanitra. Tsy manaiky ny fanatrehan'ny Tompo ny fiangonana sy ny fireneny ny mpanjaka tia tena sy miaro ny fahefany. Miombom-pahoriana amin'ny mijaly i Davida mpanompon' Andriamanitra. Noraisiny i Abiatara anankiray amin' ny mpisoron'i Jehovah. izay afaka nandositra (and 20). Ho antsika kristiana, raiso an-tànana izay enjehina noho ny fahamarinana (jereo Heb 13.2).

Fanontaniana :
Ahoana ny handraisana izay enjehina noho ny fahamarinana eo amin'ny fanjakan'ny herisetra?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12