vendredi 3 août 2018

Zoma 03 Aogositra 2018 - Est 7 : 1 - 7

1Dia lasa ny amperôra sy i Hamàna nankany amin'i Estera mpanjakavavy, ho ao amin'ilay fanasana faharoa. 2Ary teo am-pamaranana ny sakafo, dia hoy indray ny amperôra tamin'i Estera:
–Inona no angatahinao sy tadiavinao? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakako aza, dia homeko anao izany ary ho azonao tokoa.

3Dia namaly i Estera mpanjakavavy ka nanao hoe:
–Ry andriamanjaka, raha mba mahazo fitia eo imasonao ary raha sitrakao izao, dia aoka hotsimbininao aina ny tenako sy ny mpiray firenena amiko fa izany no angatahiko sy tadiaviko. 4Namidy manko ny tenako sy ny mpiray firenena amiko mba haringana sy hovonoina ho ripaka; fa raha tàhiny namidy handevozina fotsiny izahay, dia ho nangina ihany aho satria tsy tokony hanahiranana anao izany fampahoriana izany7.4 satria tsy... fampahoriana izany: dkt hafa kanefa tsy hahonitra ny fatiantoky ny amperôra akory ity fahavalonay ity..

5Dia nanontany an'i Estera mpanjakavavy ny amperôra Kserksesa nanao hoe:
–Iza moa ilay olona mikasa hanao izany ary aiza no misy azy?

6Ka novalian'i Estera hoe:
–Io Hamàna ratsy fanahy io no fahavalonay sy mpankahala anay!
Dia raiki-tahotra teo anatrehan'ny amperôra sy ny mpanjakavavy i Hamàna. 7Ary tezitra mafy ny amperôra, dia niala teo amin'ny fanasana ho eny amin'ny zaridainan'ny lapa. I Hamàna kosa nahatsapa fa misy loza hamelezan'ny amperôra azy ka nijanona nangataka tamin'i Estera mpanjakavavy izy mba hotsimbinina ny ainy;

Mangataka famonjena ho an'ny fireneny i Estera

1- Mangataka fahavelomana i Estera
Omen'i Ahasoerosy mpanjaka fahefana hangataka izay irin'ny fony aminy i Estera vadiny. Ananan'i Estera ny voninahitra, ny harena, ary izao na dia « ny antsasaky ny fanjakana aza dia homen 'nv mpanjaka »( and 2). Tery am-po i Estera ho an'ny Jiosy sy ny tanindrazany, ka ny fàhavelomany miaraka amin'ny fireneny no nangatahany. Ny anton'ny fanandratana an'i Estera ho vadin'nv mpanjaka dia ho famonjen'ny Tompo ny Jiosy. Tsy velona ho an'ny tenany ny mpanompon'Andriamanitra fa iray aina amin'ny fiangonana sy fìreneny (Rom 14,7). Famantarana ny fahaveloman'ny Fiangonana ny firaisany aina amin'izay ory sy mijaly ianjadian'ny herisetra sy ny tsy rariny.

2- Manafoana ny fandringananana ny fitiavan-tanindrazana
Mamantatra ny loharanon'ny fandringanana ny mpanompon' Andriamanitra. I Hamana no efa nikatsaka ny hampahory amin'ny honitra sy ny fandringanana ny Jiosy (and 4). Voataiza amin'ny finoana sy ny fitiavan-tanindrazana i Estera, araka ny nataon'nv ray aman-dreny nanabe azy, dia i Mordekay (jereo Est 2,7 ; 2,20 ; 4,13). Voataiza ho amin'ny fikatsahana tombontsoan'ny fireneny izy. Nofoanan'i Ahasoerosy mpanjaka ny fikasan-dratsin'i Hamana. Novelomina ny Jiosy fa Hamana « ratsy fanahy ...rafilahv sy fahavalo kosa novonoina » (and 6). Mpamonjy ny Tompo. ka mampijoro ny mino ho vavolombelony hiaro ny mijaly. Tahotra ho an'ny ratsy fanahy mpivarotra sy mpandringana ny vahoakan' Andriamanitra ny fijoroan'ny nipanompony, amin'nv fitiavana ny fiangonana sy ny fireneny.

Fanontaniana :
Afaka mijoro tahaka an'i Estera sy i Mordekay ve izay kristiana nomena fahefana isan'ambaratonga mamaky ity ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12