lundi 20 août 2018

Alatsinainy 20 Aogositra 2018 - I Sam 19 : 1 - 7

1Nampahafantarin'i Saoly an'i Jônatàna zanany sy ireo minisitra rehetra ny fikasany hahafaty an'i Davida. Nefa i Jônatàna tia fatratra an'i Davida, 2ka nampitandrina azy hoe:
–Mihevitra ny hahafaty anao i Saoly raiko; koa mitandrema tsara ianao rahampitso maraina; miere amin'izay fiafenana azo antoka ka mitoera ao. 3Hiainga hiaraka amin-draiko aho ka hanaraka azy any amin'ny saha hierenao. Hiresaka ny momba anao aminy aho, ka ho hitako eo izay ho fihetsiny, fa hampahafantariko anao.

4Ary i Jônatàna nandoka ny hatsaran'i Davida tamin-drainy, ka niteny hoe:
–Aza asianao ratsy i Davida mpanomponao, ry mpanjaka, fa tsy mba nanao izany taminao izy, sady ny soa ho anao hatrany no nikelezany aina. 5Nivarotra aina mihitsy izy namono nahafaty an'i Gôliata ilay Filistinina, ka dia fandresena lehibe ho an'i Israely no azo avy amin'ny TOMPO, ary faly erỳ ianao raha nahita izany. Koa nahoana ankehitriny no hanisy ratsy olona tsy manan-tsiny ianao ka hahafaty an'i Davida tsy amin'antony?

6Resy lahatry ny tenin'i Jônatàna i Saoly ka nanambara hoe:
–Velona ny TOMPO ka mianiana aho fa tsy hatao maty akory i Davida.

7Dia nantsoin'i Jônatàna i Davida ka nilazany izany resaka rehetra izany; avy teo i Davida dia nentiny nankany amin'i Saoly, ary nanompo ny mpanjaka toy ny teo aloha indray.

Hetsi-panoherana ny herisetra

Baiko maniraka antsika hanao hetsika ny hoe: "Mitsangàna hanohitra ny herisetra". Inona ny tokonv hatao?

1- Sorohy ara-potoana ny herisetra
Vantany vao fantatr'i Jonatana ny fikasan-drainy hamono an'i Davida dia nitsangana sy nanao hetsika avy hatrany izy ho fisorohana ny herisetra (and 2-3). Mila fanapahan- kevitra ara-potoana sv fahasahiana hanao hetsika ara- potoana ny fanakanana ny herisetra mha ho fisorohana ny famonoan'olona.

2- Ampanjakao ny fitiavana
Fitiavana an'i Davida indrindra no nahatonga an'i Jonatana nanakana an'i Saoly rainy tsy hampiasa herisetra amin'i Davida (and 1b). Herv lehibe ahazoana manohitra ny herisetra ny fìtiava-namana. Didy nomen'i Jesoa antsika rahateo izany ka tsy maintsy iainantsika amin'ny teny sy ny atao rehetra ho fisorohana ny herisetra.

3- Ampihavano izay mety hifandrafy
Nirotsaka ho mpampihavana i Jonatana ka voasoroka sady voatohitra ny herisetra (and 4-7). Mpampihavana amin'ny anaran'ny Tompo izay rehetra mety hifandrafy ny Fiangonana mba ho fisorohana nv herisetra. Izany rahateo no maha-zanak'Andriamanitra antsika koa mijoroa ho mpampihavana ho fanoherana ny herisetra (Mat 5.9).

Fanontaniana:
Afaka manao tahaka an'i Jonatana ve ianao ho fisorohana ny herisetra?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12