vendredi 31 août 2018

Zoma 31 Aogositra 2018 - Asa 16 : 16 - 34

16Omeo baiko fotsiny izahay, tompoko, fa hanao izay asainao hatao, ka hitady olona mahay mitendry harpa. Koa rehefa tonga ao aminao ny fanahy ratsy, dia hitendry izy handrotsirotsy anao.

17Dia hoy i Saoly tamin'ny mpanompony:
–Itadiavo olona mahay mitendry zava-maneno aho, ka ento atỳ amiko.

18Ary niteny ny iray tamin'ny mpanompony hoe:
–Mahalala olona iray izay aho, dia ny zanakalahin'i Jisay any Betlehema; tena mahay mitendry zava-maneno izy sady lehilahy manana ny maha izy azy no miaramila matanjaka, ary koa mahay mikabary sy tsara tarehy, ary ny TOMPO dia momba azy.

19Nandefa iraka tany amin'i Jisay i Saoly hilaza hoe: «Alefaso atỳ amiko i Davida zanakao, ilay mpiandry ondry.» 20Ary i Jisay naka boriky iray, mofo sy divay iray siny hoditra ary zanak'osy iray, ka nampitondrainy an'i Davida zanany ho an'i Saoly. 21Raha vao tonga tany amin'i Saoly i Davida, dia avy hatrany nikatroka niasa ho azy. Lehibe loatra ny fitiavan'i Saoly azy, ka dia izy no nataony mpitondra ny fitaovam-piadiany. 22Dia nampaniraka tany amin'i Jisay i Saoly hilaza hoe: «Tiako raha mba mitoetra eto amiko i Davida, satria mahafinaritra ahy izy.»
23Koa rehefa tonga tamin'i Saoly ilay fanahy ratsy nalefan'Andriamanitra, dia noraisin'i Davida ny harpa ka notendreny. Mba tony sy nahatsiaro maivamaivana i Saoly tamin'izany, ary dia nandao azy ny fanahy ratsy.

Manohitra ny herisetra ny mino.

Niharan'ny herisetra maro i Paoly Apostoly tamin'ny asa fitoriana nataony(and 19-24). Tsy mba nampiasa herim- batana na fitaovam-piadiana kosa anefa izy ho fanoherana ireny harisetra irenv fa nampiseho ny naha mpanompon'i Kristy azy ka nanohitra ny herisetra:

1- Amin'ny alalan'ny vavaka sy ny fiderana (and.25-27)
Vavaka sy hira fiderana an'Andriamanitra no nentin'i Paoly sy i Silasy nanohitra ny heriselra ara-batana sy ara-tsaina nihatra tamin'izy ireo. Mahagaga ny herin'izany fa niteraka horohoro eo amin'ny mpanao herisetra sy nahavaha ny fatorana rehetra. Ny herisetra rehetra dia avv amin'ilay ratsy. Efa nomen'ny Tompo antsika ny fítaovam-piadiana ho enti-manohitra izany ka anisan'izany ny fivavahana (File 6. 18). Manana endrika vavaka misy tonony sy feony ihany koa ny hira fiderana.

2- Amin'ny alalan'ny fitoriana (and 28-33)
Tsy nitsahatra ny fitoriana nataon'i Paoly sy i Silasy na dia niharan'ny herisetra aza izy ireo. Ny fitoriana nataony no nampiova fo ny mpanao herisetra ka nandraisan'izy ireo ny famonjena. Mila mitozo hatrany amin'ny fitoriana ny Filazanlsara isika ho fanoherana ny herisetra amin'ny lafiny rehetra. Ny fandraisana an'i Jesoa sy ny Vaovao Mahafalin'ny famonjena amin'nv anarany mantsy no mitondra fiadanana izay mifanohitra amin'ny fanaovana herisetra.

Fanontaniana :
Efa nampiasa ireo ve ianao ho fanoherana ny herisetra?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12