jeudi 16 août 2018

Alakamisy 16 Aogositra 2018 - Mpito 9 : 11 - 16

11Mbola nahita zavatra betsaka tetỳ ambonin'ny tany koa aho. Tsy ny faingam-pandeha hatrany no mandresy eo amin'ny fihazakazahana; ary tsy ny mahery fo hatrany no mandresy eo amin'ny ady. Tsy ny hendry no mora mahazo ny hanina hohaniny; ary tsy ny manan-tsaina no mora mahazo harena. Tsy ny olo-mahay no tsy maintsy homem-boninahitra, fa samy mpahazo ny rehetra na ny fanambinana na ny sampona. 12Tsy misy olona mahafantatra ny fotoana hiavian'ny loza. Fa toy ny trondro azon'ny harato, ary tahaka ny voron-kely voam-pandrika no hahitany loza mahavoa azy tampotampoka.
13Izao koa no oha-pahendrena hitako teto ambonin'ny tany; ary zava-dehibe amiko izany. 14Nisy tanàna kely iray sady vitsy mponina. Tonga nanafika azy io ny mpanjaka lehibe iray ka nanao fahirano sady namboatra tovon-tany goavana hamelezana azy. 15Nisy lehilahy iray mahantra nefa hendry tao, izay afaka nahavonjy ny tanàna noho ny fahendreny. Saingy tsy mba nisy olona nahatsiaro ilay olo-mahantra.

16Ka hoy aho hoe: Tsara kokoa ny fahendrena noho ny hery. Kanefa dia atao tsinontsinona ny fahendren'ity olo-mahantra, ary tsy mba henoina akory ny teniny. 17Fa aleo mihaino ny teny malefaky ny hendry toy izay ny teny mafy atao amin'ny adala. 18Mandaitra kokoa noho ny fitaovam-piadiana ny fahendrena, saingy ny olona iray mitavozavoza no mahasimba ny soa be avy aminy.


Tohero nv herisetra.

Toa efa zary zava-poana araka ny filazan'ny Mpitoriteny azy nv fiainana ankehitriny noho ny firongatry ny herisetra. Mila toherina ireny kanefa:

1- Tohero am-pahendrena izany
Fampiasan-kery no nataon'ilay mpanjaka eto (and 14). Voatohitra anefa izany noho ny fanoherana tamim- pahendrena nataon'ity lehilahy iray mahantra kanefa nanam-pahendrena (and 15). llaina ny manohitra ny herisetra saingy tsy maintsv atao am-pahendrena izany, indrindra amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra sy ny fahafantarana ny sitrapony fa izany no atao hoe: fahendrena (Oha 9.10). Ianaro i Jesoa nanohitra ny herisetra natao taminy tamin'ny fahendrena.

2- Tohero na dia hery tsy mitovy aza.
Ny an'ilay mpanjaka hery ara-tafika sy fahefana. Ny an'ilay lehilahy mahantra kosa tsy misy afa-tsy ny fahendrena. Ny hery tokoa tsy mahatohitra ny fanahy feno fahendrena avy amin'Andriamanitra (and I6a). Tohero amin'ny herin'ny fahendrena izay omen'ny Tompo antsika ny herisetra sy ny fampiasan-kery ary ny fanaparam- pahelana fa ny herin'ny Tompo dia tanterahina amin'ny fahalemena. Mety tsy ahitana sitraka na mety ho hadinon'ny olona ny soa natao kanefa ny Tompo mahay mamaly fìtia ny olon-kendry.

Fanontaniana:
Fahendrena manao ahoana no tokonv hanoherana ny herisetra?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12