vendredi 24 août 2018

Zoma 24 Aogositra 2018 - Mat 5 : 38 - 42

38–Efa renareo fa voalaza hoe: «Maso efai-maso, nify efai-nify5.38 Eks 21.24; Lev 24.20; Deot 19.21.!» 39Izaho kosa milaza aminareo hoe: aza mamaly ratsy izay manisy ratsy anao; fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny ilany! 40Raha misy mila ady aminao any amin'ny fitsarana mba hahazoany ny akanjonao, avelao ho azy koa ny lambanao. 41Raha misy manery anao hitondra entana mandritra ny lalana iray kilaometatra5.41 Azo heverina fa voatsiahy etoana ny asa an-tery vozona ampanaovin'ireo miaramila na mpiasam-panjakana rômanina., miaraha aminy mandritra ny lalana roa kilaometatra. 42Omeo izay mangataka aminao ary aza andosirana izay te hisambotra aminao.

Ny valifaty kristiana

Hita ao amin'ny Soratra Masina. indrindra ao amin'ny Testamenta Taloha ny fanomezana alalana hanao valifaty. I Jesoa kosa dia manolotra lalàna vaovao mendrika ny ho harahintsika amin'ny fanaovana izany.

1- Ny fandeferana (and 39-41)
Isan'ny lalàna natao hisorohana ny herisetra teo amin'ny Zanak'Isiraely ny valifaty ka nahatonga ny fitenenana hoe: "maso solon'ny maso. nify solon'ny nify' (Eks 21). Tsy nahafoana ny herisetra anefa izany. Fampianarana ambony kokoa no atolotry ny Tompo antsika mpanara-dia Azy. Tsy ho foana ny herisetra raha toa ka valiana ratsy hatrany ny ratsy. Noho izany dia valiana soa avo roa heny ny ratsy natao tamin'ny tena mba handresena ny herisetra. Izany no atao hoe fandeferana.

2- Ny fanehoam-pitiavana (and 42)
Didy efa fantatry ny jiosy ny fahalalahan-tanana (Deo 15. 7-11). Ampiarahan'ny Tompo eto ny fandeferana sy ny fahalalahan-tanana ho fanehoam-pitiavana sady ho fisorohana ny herisetra. Mpanolotra sy mpanome isika ary tsy hanavahana izany na ho an'ny olon-dozabe(manery). na ho an'ny olona mahantra (mangataka), na ho an'ireo izay afaka hamerina (misambotra). Ahazoana misoroka sy manohitra tsara ny herisetra ny fanehoam-pitiavana toy izany, indrindra raha atao amin'ny fahavalo.

Fanontaniana:
Inona no metv ho sakana tsy ahafahanao mampihatra ny valifaty kristiana voalaza eto?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12