lundi 27 août 2018

Alatsinainy 27 Aogositra 2018 - Hos 4 : 1 - 3

1Manana ady amin'ny mponin'ity tany ity ny TOMPO, ry Israelita; ka henoy izao teniny izao:

«Tsy misy toetra mahatoky
eto amin'ity tany ity,
tsy misy fitiava-namana,
na fahalalàna an'Andriamanitra.
2Fa mitombo ny fanozonana olona
sy ny famitahana azy ary ny famonoana azy ho faty,
mbamin'ny halatra sy ny fanitsakitsaham-bady;
mifandimby ny ra latsaka.
3Noho izany, fadiranovana ny tany;
reraka ny mponina rehetra ao
mbamin'ny biby eny an-tsaha
sy ny voromanidina;
ary na ny trondron-dranomasina aza
dia ringana koa.»

Mitsangàna hanohitra ny herisetra.

Nanjakan'ny fahalovana sy ny herisetra tanteraka ny fiaraha-monina tamin'ny andron'i Hosea mpaminany ka nahatonga izao hafatr'Andriamanitra izao (and 1-2). Tsy mifanalavitra amin'izany koa ny fìaraha-monina misy antsika ankehitriny koa mitsangàna hanohitra izany miaraka amin'ny Tompo satria:

1- Mampitaraina ny tany izany
Tafakatra eo amin'Andriamanitra tahaka ny tamin'ny andro nanaovan'i Kaina herisetra tamin'i Abela rahalahiny ny fitarainan'ny tany(Gen 4, 10). Avy amin'ny tany no namoronana ny olona koa tsy maintsy misy fíantraikany amin'ny tany onenana ny fìhanaky ny herisetra mihatra aman'aina. Tokony hampandini-tena antsika izany satria efa nataon'Andriamanitra hifamatotra amin'ny tany ny fiainantsika olombelona.

2- Mandringana ny zava-manan'aina izany
Tsy afa-bela amin'ny firongatry ny herisetra ihany koa ny mponina sy ny zava-manan'aina ao amin'ny tany. Horohoro sy tebiteby ary fandringanana no ateraky ny herisetra. Tsy maintsy mitsangana isika Fiangonana noho izany hanohitra ny tsy fahamarinana sy ny herisetra amin'ny endriny rehetra ho fampandriana fahalemana ny fìrenentsika amin'ny alalan'ny Filazantsaran'i Jesoa Kristy.

Fanontaniema :
Inona no metv ho hevitry ny hoe : "mitomany ny tany?"

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12