mardi 21 août 2018

Talata 21 Aogositra 2018 - Lio 22 : 47 - 53

47Raha mbola miteny eo i Jesoa, dia indro nisy andian'olona tamy; ka ilay atao hoe Jodasy, anankiray amin'ny 12 lahy no lohalalana. Ary nanatona an'i Jesoa i Jodasy mba hanoroka Azy. 48Fa hoy i Jesoa taminy:
–O! ry Jodasy, dia fanorohana ve no anoloranao ny Zanak'olona?
49Nahatsinjo ny zava-hitranga ireo mpianatra teo amin'i Jesoa, ka nanontany Azy hoe:
–Ahoana, Tompoko, raha mba hamely amin'ny sabatra izahay?
50Dia namely ny mpanompon'ny mpisorombe tokoa ny anankiray tamin'ireto mpianatra, ka nahafaka ny sofiny havanana22.50 Ampit Jôh 18.10,26.. 51Fa niteny i Jesoa nanao hoe:
–Aoka izay!
Dia nikasika ny sofin-dralehilahy Izy, ka nanasitrana azy. 52Ary izao no tenin'i Jesoa tamin'ny lohandoha-mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly mbamin'ny loholona tonga teo hisambotra Azy:
–Toy ny hisambotra jiolahy izato fiavinareo mirongo sabatra sy kibay. 53Teo aminareo isan'andro Aho tao an-kianjan'ny tempoly kanefa tsy nikasi-tanana Ahy ianareo; fa izao no ora voatendry ho anareo sy hanamparan'ny maizina ny fahefàny.

Ireo herisetra mpahazo ny mino

Ity perikopa ity dia maneho amintsika ireo karazana herisetra nihatra tamin'i Jesoa. Maro amin'ny mpino ankehitriny koa no iharan'izanv herisetra izany dia:

1 - Nv fihatsaram-belatsihy (and 47-48)
Ny fihatsarana ivelan-tsihy dia fisehoana ho tsara raha amin'ny endrika ivelany kanefa ratsy ny ao anaty. Niseho ho tia ny Tompo tamin'ny fihetsika ivelany i Jodasy kanefa ny nifanohitra tamin'izany ny tao am-pony. Endrika ivelany fanehoam-pitiavana ny oroka saingy famadihana no tao ambadik'izany ho an'i Jodasy. Ialao ny fihatsaram-belatsihy fa herisetra miafin'endrika izany ary mety hamono ny hafa mihitsy.

2 -  Ny herisetra ara-batana (and 49-50)
Nampiasa fitaovam-piadiana avy hatrany ny mpianatra teo anatrehan'ny fisamborana natao an-keriny an'i Jesoa. Nosakanati'i Jesoa avy hatrany izany fihetsika izany na dia nanana endrika fiarovana sy fanehoam-pitavana Azv avv amin'ny mpianatra aza. Tsy ankasitrahan'ny Tompo velively ny fampiasan-kery sy ny fanaovana herisetra avy amin'ny mpanara-dia Azy na inona na inona antony mety hanosika hanao izany. Izay amintinan'ny Tompo azy dia mazava: na olon-tokana(and 51), na andian'olona (and 52) no manao herisetra dia ny herin'ny maizina hatranv no manosika hanao izany(and 53).

Fanontaniana:
Inona no tokony hatao mba tsy ho lasa fiasan'ilay ratsy hanao herisetra isika?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12