mardi 14 août 2018

Talata 14 Aogositra 2018 - Oha 6 : 12 - 19

12Tsy valahara sady tsy misy ilana azy
ny olona mpamafy lainga.
13Mipi-maso hamitaka ny hafa izy
sady miantso amin'ny tongony
no manao famantarana amin'ny rantsan-tanany.
14Hafetsifetsena no mameno ny fony
ka mampihevi-dratsy azy mandrakariva
sy mahatonga azy hamafy ady.
15Izany no hampiavy tampoka ny faharavàny;
fa ho potika vetivety tsisy fanafana izy.

16-19Misy zavatra enina izay halan'ny TOMPO
ka tsy zakany mihitsy, dia ireto:
ny fijery miavonavona,
ny fiteny mandainga,
ny tanana mahafaty olon-tsy manan-tsiny,
ny fo mamorona teti-dratsy,
ny tongotra dodon-kihazakazaka hanao ratsy,
ny vavolombelona mandainga sy manendrikendrika.
Fa misy koa zavatra fahafito,
dia ny olona mpamafy ady amin'ny rahalahiny.

Ny loharanon'ny herisetra sy ny vokany

1- Ny olona tena ratsy fanahy (and 12-15)
Mandehandeha sy tsy mitsahatra mandainga sy mamitaka ny ratsy fanahy ary manaratsy amin'ny lelany sady feno hafetsena. Fitaka ny asany sady manana paikam- pifandraisana amin'ny namany: mipi-maso, manao famantarana amin'ny tongony sy ny tànany ka miafina ho olo-marina amin'ny ataony. lo ilay lazain'i Jesoa hoe : «fasana milalotra Jotsy » (Lio 23.27), ka loza eo amin'ny tlarahamonina sy ny fiombonana. Zava-doza ny ataony satria mampiely faingana ny ratsy ataony izy, noho izy tsy mitoetra an-trano fa mandehandeha.

2- Nv fahavetavetana eo imason'i Jehovah (and 16-19
 Fito ny isanv : avonavona, lainga, mamono olona marina. sain-dratsy. haingam-panao ratsy, vavolombelona mandainga. mamafv ady amin'ny mpirahalahy. Ireo rehetra ireo dia manimba sy manapotika ary mampahory sy mampijaly ny marina sy ny mahitsy.Andriamanitry Masina sy Marina ny Tompo ka milaza izany ho fahavetavetana sy fahalotoana.

3- Hotsarain'Àndriainanitra ny ratsv fanahv.
Ho tampoka aminy ny loza ihatra aminy noho ny fankahalan'Andriamanitra ny fahotana (and 15). Tsy hisy fahasitranana ho an'nv ratsy fanahy rehefa tonga ny fanorotoroana azy amin'nv farany. Manararaotra manao ratsy ny ratsy fanahy. satria mahari-po ny Tompo mba hialany amin'ny lalan-dratsy. Rehefa tonga tampoka Izy dia hitsara nv olombelona rehetra. Ampianarina ny mpino tsy hitsiriritra ny ratsy fanahy ambinina amin'ny asa ratsiny.

Fanontaniana :
Inona ihany koa no heverintsika ho loharanon'ny herisetra ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12