mercredi 29 août 2018

Alarobia 29 Aogositra 2018 - Mat 6 : 21 - 29

 21Fa izay misy ny harenao no hisy ny fonao koa.

22–Ny maso no toy ny jiron'ny tena: koa amin'izany raha mahiratra ny masonao, dia mazava ny tenanao manontolo; 23raha jamba kosa ny masonao, dia maizina ny tenanao manontolo. Eny, raha maizina ilay fahazavana ao anatinao, dia vao mainka haizim-pito no hisy anao!

24–Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; satria na ny anankiray ho hàlany ary ny anankiray ho tiany, na ny anankiray hombàny ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy hainareo atao ny sady manompo an'Andriamanitra no manompo ny harena.

25–Noho izany indrindra no ilazako aminareo hoe: aza manahy ny amin'ny hanina sy fisotro izay tohan'ainareo, na ny amin'ny fitafiana izay ilain'ny tenanareo; moa tsy mihoatra ny hanina ve ny aina, ary tsy mihoatra ny fitafiana ve ny tena? 26Jereo ange ny voro-manidina: tsy mamafy na mijinja na manangona an-tsompitra manko izy ireny, kanefa fahanan'ny Rainareo Izay any an-danitra. Moa tsy sarobidy lavitra noho ireny ve ianareo? 27Fa iza aminareo, na dia be fanahiana toy inona aza, no mahay manalava kely monja ny andro iainany6.27 ny andro iainany: dkt hafa ny halavàny. ?

28Ary ahoana no anahianareo ny amin'ny fitafiana? Diniho tsara ny fanirin'ny voninkazo eny an-tsaha: 29tsy misasatra na mamoly izy ireny, kanefa lazaiko aminareo fa na i Salômôna, teo amin'ny voninahiny6.29 Jereo 1 Mp 10. rehetra aza, dia tsy tsara fitafiana tahaka ny anankiray amin'izy ireny.

Ny mpino manohitra ny herisetra

Andeha horaisina ho toromarika omen'ny Tompo antsika izao mba tsy ho tafalatsaka amin'ny fanaovana herisetra isika ka:

1- Manaova ny sitrapon'ny Rav (and 21-23)
I Jesoa no tena mahalala ny sitrapon'ny Ray ka nampita izany tamin'ny alalan'ny fampianarana sy ny toriteny rehetra nataony. Isan'izany ny tsy tokony hamaliana herisetra ny herisetra (Mat 5. 38-41). Tsy mety ny manao Tompoko, Tompoko an'i Jesoa sy ny fanaovana asa maro amin'ny anarany kanefa any ambadika isika manao herisetra amin'ny tenantsika na amin'nv hafa. Fandavana antsika tsy hiditra ny fanjakan'Andriamanitra no setrin'izany eto.

2- Mankatoava nv tenin'nv Tompo (and 24-27)
Fanoharana no entin'i Jesoa maneho ny elanelana misy eo amin'ny olona mankatoa ny teniny sy ny tsy mankatoa. Fahafahana manohitra nv sarotra rehetra ho an'nv mpakatoa ny Teny. Faharavana kosa ho an'izay tsy mankatoa. Mahatohitra ny fanaovana herisetra izay mankatoa ny Tenin'ny Tompo. Mora latsaka ao anatin'ny fanaovana herisetra kosa izay tsy mankatoa ny Teniny ka faharavam-piainana no iafaran'izany. Toy ny riaka be sy ny rivotra mifofofofo mila handrava ny trano mantsy ny herisetra ka raha ratsy fototra nv trano dia ho rava.

Fanontaniana :
Inona no sakana tsy ahafahana mankatoa ny tenin'ny Tompo?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12