dimanche 12 août 2018

Alahady 12 Aogositra 2018 - Lio 20 : 9 - 18

9Dia nitodika tamin'ny vahoaka kosa i Jesoa nanao izao fanoharana izao:
–Nisy lehilahy nanamboatra tanimboaloboka20.9 Ampit Is 5.1. ka nampanofa azy tamina mpamboly ary lasa niorim-ponenana any an-tany hafa. 10Nony tonga ny taom-piotazana dia nanirahany mpiasa ireo mpamboly, hiangavy azy ireo hanome ampahany amin'ny vokatry ny tanimboaloboka; kanjo nokapohin'ireo mpamboly ilay mpiasa ary nalefany nody maina. 11Dia nanirahany mpiasa fanindroany, fa io koa nokapohin'ireo mpamboly sy notevatevainy ary nalefany nody maina. 12Dia mbola nanirahany mpiasa fanintelony; io indray koa nataon'ireo mpamboly naratra, izay vao noroahiny. 13Ary hoy ny tompon'ny tanimboaloboka: «Inona re no hataoko? Ndeha hirahiko ity zanako malalako, fa angamba izy hananan'ireo hena-maso!» 14Vao nahita azy kosa ireo mpamboly, dia niara-nidinika sady nifampiresaka hoe: «Ny mpandova ity; aoka hovonointsika mba hahazoantsika ny lova.» 15Dia natosiny tany ivelan'ny tanimboaloboka ilay io ka novonoiny.

Dia nofaranan'i Jesoa hoe:
–Inona àry no hataon'ny tompon'ny tanimboaloboka amin'ireo mpamboly? 16Ho avy izy ka haringany ireo mpamboly ireo ary homeny olon-kafa ny tanimboaloboka.

Raha nandre izany ireo mpanohitra an'i Jesoa, dia niteny hoe:
–Sanatria izany!

17Fa nojeren'i Jesoa ry zareo sady nataony hoe:
–Inona àry no dikan'ity andinin'ny Soratra Masina ity:

«Ny vato nolavin'ny mpanao trano
no nanjary vato fehizoro20.17 Sal 118.22.»?

18Izay rehetra mianjera amin'izany vato izany dia ho torotoro, ary izay ianjerany kosa ho montsamontsana.

Ny fahefan'i Jesoa Kristy

1- Fahefana maniraka mpanompo
Miantso sy maniraka olona ny Tompo ho famonjena izao tontolo izao. Maro araka ny sokajiny avy ireny iraka hanorina ny fanjakany ireny. Izay rehetra nirahin'ny Tompo teo amin'ny israely anefa dia samy novoniny avokoa, anìsan'izanv i Jaona mpanao Batisa tamin'ny andron'i Jesoa tety an-tany. Nofidina manokana ny Israely hamboly sy hiasa ny tanim-hoaloka, saingy ny herisetra tamin'ny irak'Andriamanitra no nataony.

2- Fahefan'nv zanaky ny tompon'ny tanim-boaloboka
 Fahefana avy amin'ny Andriamanitra Ray ny fahefan'i Jesoa Kristy. Izy no Zanaka Malala sady Lahitokan'ny tompon'ny tanim-boaloboka. Fahefana feno avy amin'ny Ray ny Azy. Tonga Izy hitady ny vokatra ety an-tany, dia ny olombelona ho an'ny Tompo. Izv no iorenan'ny fanjakan'Andriamanitra izay nolavin' ny Jiosy nomena andraikitra hanao ny trano sy hiasa ny tany. I Jesoa Kristy no mpandova ny tanim-boaloboka novonoina noho ny fialonan'ny olona Azy.

3- Fahefan'ny Zanak' Andriamanitra
I Jesoa no Tompon'ny Fanjakan' Andriamanitra novonoin'ny Jiosy teo amin'nv hazo fijaliana. Koa hoesorin' Andriamanitra aminy ny fanitarana ny fanjakan' Andriamanitra fa nomeny izay rehetra mino sy manaiky azy. Izany no andraikitry ny Fiangonana, hanangona ny olona hovonjena. Ilay Tompon'ny ; fanjakana no novonoina. Ilay vato fehizoro maha trano ny trano sy ny fanorenana no nolavin'ny Jiosy.

Fanontaniana :
Manao ahoana ny fahefan'i Jesoa Kristy amin'ny fiainantsika kristiana ? Manaova fandinihan-tena ange e ? -

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12