jeudi 30 août 2018

Alakamisy 30 Jolay 2018 - I Sam 24 : 1 - 9

1Avy teo i Davida dia niakatra tany amin'ny toerana be harambato, tany Haîna-Gedỳ24.1 Haîna-Gedỳ: tanàna eo amin'ny morony andrefan'ny Ranomasina Maty., ary nipetraka tao. 2Rehefa tafaverina avy niady tamin'ny Filistinina i Saoly, dia reny fa efa any an-taniefitr'i Haîna-Gedỳ i Davida. 3Ary i Saoly naka telo arivo lahy izay notsongaina tamin'i Israely manontolo, ka lasa nitady an'i Davida sy ny olony izay teo anoloan'ny Vatolampin'ny Osidia24.3 Ity Vatolampin'ny Osidia ity dia eny amin'ny manodidina an'i Haîna-Gedỳ, kanefa tsy fantatra mazava ny misy azy.. 4Raha tonga teo amin'ny valan'ondry nanamorona ny lalana i Saoly, dia sendra zohy24.4 zohy: jereo Sal 57.1; 142.1., ka dia niditra tao mba hivoaka kely. Nefa i Davida sy ny olony dia efa tao anaty zohy tao. 5Dia hoy ny olon'i Davida taminy:
–Izao no andro voalazan'ny TOMPO taminao hoe: «Indro hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao, ka ataovy aminy izay fantatrao fa mety.»

Dia nitsangana i Davida ka nitsaitsaika nanapaka moramora ny moron-tongotr'akanjon'i Saoly. 6Nefa taorian'izany dia nidobodoboka mafy ny fon'i Davida noho ny nanapahany ny morotongotr'akanjon'i Saoly. 7Koa hoy izy tamin'ny olony:
–Ho sanatriaviko ary hisakanan'ny TOMPO ahy anie ny haninji-tanana amin'ny mpanjakako, satria Izy TOMPO ihany no efa nifidy azy ho mpanjaka.

8Izany teny izany no nanakanan'i Davida ny olony ka tsy namelany azy ireo hamely an'i Saoly.
Dia nandao ny zohy i Saoly ary nanohy ny diany. 9Taorian'izany dia nitsangana ihany koa i Davida, nivoaka ny zohy sady niantso mafy an'i Saoly hoe:
–Ry mpanjaka tompoko ô!

Nitodika nijery i Saoly, dia niankohoka ho mari-panajana azy i Davida.

Ny olona misoroka ny herisetra

Nisoroka ny herisetra hatrany i Davida na dia efa nisy fotoana aza nahazoany namono an'i Saoly niba hampitsahatra ny herisetra atao aminy. Andeha hanao toa azy ka:

1- Mihaino ny feon'ny fieritreretana (and 4-7)
Feo roa no henon'i Davida eto. Andaniny, ny feon'ireo namany izay nandrisika azy hamono an'i Saoly. Ankilany kosa ny feon'ny fieritreretany izay mifanohitra amiin'ny feon'iretsy namany. Nihaino ny feoin'ny fieritreretany i Davida ka voatohitra ny fanaovana herisetra. Andriamanitra no manome io feon'ny fíeritreretana io. Mila mihaino izany isika.

2- Manaja ny maha olom-boahosotra (and 8-9)
Ny maha olom-boahosotra an'i Saoly no nataon'i Davida tao an-tsaina ka antony tsy nanaovany herisetra taminy. Na teo aza ny fanenjehan'i Saoly azy sy ny fifofony ny ainy dia nohajain'i Davida hatranv ny maha olom- boahosotra an'i Saoly mpanjaka. Fanehoana ny fanokanan'Andriamanitra olona iray ho amin'ny andraikitra manokana ny fanosorana. Olona tahaka ny olona rehetra anefa ireny olona ireny ka mety manana ny fahadisoany, mety manana ny fahalemeny. Tsy antony hanaovana herisetra amin'izy ireny anefa izany noho ny amin'ny maha olom-boahosotra azy.

Fanontaniana :
Efa mba isan'izay nikasa hanao herisetra tamina Mpitandrina ve ianao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12