samedi 4 août 2018

Sabotsy 04 Aogositra 2018 - Lio 23 : 13 - 25

13Novorîn'i Pilato ny lohandoha-mpisorona sy ny manampahefana jiosy ary ny vahoaka, 14dia nilazany hoe:
–Nentinareo tatỳ amiko io Lehilahy io fa hoe nampiodina ny vahoaka; izaho efa nanadina Azy teo anatrehanareo, saingy tsy nahitako heloka na iray aza io Lehilahy io tamin'izay niampanganareo Azy. 15I Herôda koa tsy nahita heloka taminy, fa namerina Azy ho atỳ amintsika. Miharihary fa tsy misy na inona na inona nataony tokony hanamelohana Azy ho faty; 16noho izany, hasaiko hokapohina Izy dia halefako.

[ 17Fa isaky ny fankalazana ny Paska i Pilato dia tsy maintsy mandefa mpifatotra anankiray ho azy ireo23.17 Jereo Mt 27.15; Mk 15.6..]

18Kanjo indray nihoraka izy rehetra nanao hoe:
–Vonoy io, fa i Barabasy alefa ho anay.
19(Fa ity Barabasy ity dia anisan'ny nanao fikomiana tao an-tanàna sady nahafaty olona, ka natao am-ponja.)

20Dia mbola niteny ihany i Pilato satria te handefa an'i Jesoa. 21Kanefa niantsoantso mafy ny vahoaka nanao hoe:
–Homboy, homboy amin'ny hazofijaliana io!

22Dia niteny fanintelony indray i Pilato nanao hoe:
–Inona àry no ratsy nataony? Tsy hitako velively izay heloka tokony hahafaty Azy; noho izany, hasaiko hokapohina Izy dia halefako.

23Fa nikiry niantsoantso mafy ny vahoaka nitaky ny hanombohana an'i Jesoa amin'ny hazofijaliana, ary nandresy ny horakoraka nataony. 24Dia namoaka didim-pitsarana i Pilato nampanao izay notakîny. 25Ilay natao am-ponja satria nanao fikomiana sady nahafaty olona moa nalefany araka ny notakîn-dry zareo, fa i Jesoa kosa natolony azy hanaovany izay sitrapony.

Ny fampahoriana an'i Jesoa Kristy

1- Ny fitsarana tsy marina
Manao fitsarana tsy marina sy manampatra ny fahefana ny mpitondra fanjakana sy ny mpanapaka. Na i Heroda sy ny miaramilany, na i Pilato governora. Ity farany dia mahalala ny marina fa tsy manapa-kevitra araka ny fahamarinana. Mijaly mandrakariva ny marina rehefa tsy marina ny mpanapaka. Manaiky ny fitsarana Azy i Jesoa, na dia tsy nanota sy nandika lalàna aza, mba ho famonjena ny olombelona mpanota.

2- Nv famaizana an'i Jesoa
Tsy hitan i Pilato governora. mpanapaka ny faritr'i Jodia, izay heloka tokony ahafaty an'i Jesoa. Nikasa handefa an'i Jesoa i Pilato satria « tsy nisy zavatra nataony izay tokony ahafaty Azy » (and 15). Famaizana olona tsy meloka no nokasain'i Pilato hatao tamin'i Jesoa izay « tian 'i Pilato halefa (and 20). Rehefa tsy mijoro amin'ny fahamarinana sy araka ny lalàna ny mpanapaka dia voaheloka an-terisetra ny marina).

3- Ny fangatahana hamonoana an'i Jesoa Kristy
Zava-doza no vokatry ny feon'ny olona. Nangatahany hovonoina i Jesoa Kristy. Nisafidy jiolahy mpamono olona izy ireo (and 21). Rehefa tsy mino an'i Jesoa Kristy ny olona dia manjary mpanao herisetra sy mpamono olona. Mpanatanteraka ny famonoana an'i Jesoa Kristy avokoa ny rafi-pitondrana rehetra teo amin'ny Jiosy: ny fitsarana synedriona sy ny governora romana. Mbola niaro ireo manakalo an'i Jesoa Kristy ny fahefana sy ny vola ankehitriny.

F'anontanìana :
Fantaro tsara izay miteraka herisetra eo amin'ny fiarahamonina misy antsika ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12