samedi 11 août 2018

Sabotsy 11 Aogositra 2018 - II Tim 2 : 22 - 26

22Andosiro ny zava-dratsy ironan'ny tanora fanahy; fa aoka ny rariny, ny finoana, ny fitiavana ary ny fihavanana no hiarahanao mikatsaka amin'ireo olona miantso ny Tompo amin'ny fo mahitsy. 23Aza miraharaha izay fanontaniana adaladala sy tsy misy heviny, satria fantatrao fa mahatonga ady izany; 24fa ny mpanompon'ny Tompo dia tsy tokony ho fiadîna, fa tokony halemy fanahy amin'ny olona rehetra, hahay mampianatra, hahalefitra, 25ho mora fo raha mananatra ny mpanohitra azy: hataon'Andriamanitra miala amin'ny toe-dratsy2.25 miala amin'ny toe-dratsy: jereo ny FTS amin'ny voambolana hoe FIBEBAHANA. angamba ireny mpanohitra ireny mba hahalala ny fampianarana marim-pototra; 26ary hody ny sain'ireo ka ho afaka amin'ny fandriky ny devoly izay nanao azy sambo-belona hanaraka ny sitrapony.

Mpitarika mandresy herisetra sy fampianarana sandoka

1- Mandositra ny filan'ny tanora fanahy (and 22)
Fiadiana mahomby omena ny mpitarika amin'ny fivavahana sy ny finoana kristiana no omen'ny Tompo eto (and 14). « Miaraha mitady fahamarinana, finoana, fìtiavana ». Ny tsy fananana. na ny tsy fiainan'ny mpitarika amin'izany no ilazana azy ho tanora fanahy na zazavao amin'ny finoana (and 22. I Tim 3.6). Rehefa miaina sy mahatratra ireo ny mpitarika eo amin'ny fìangonana dia ho tratra ny zava-kendren'ny fitoriana ny Filazantsara sy ny teny fikasan'Andriamanitra, ka mitondra fiadanana sy mandrava ny adilahv ao amin'ny  fiangonana, dia « izay miantso ny Tompo amin 'nv fo madio».

2 - Mandà ny fanontaniana adaladala (and 23)
Mampiorina sy mampandroso ny fiangonana ny fampianarana fà « tsy ny ady teny ». Noho izany ny mpampianatra dia ho malemy fanahy sy be fandeferana, tia fìhavanana. Mandray ny mpanohitra azy izy. Ireny koa dia raisin'ny Tompo ho ondriny ka tsy ailika na roahina. Tsy toy ny mitondra entana ny fitarihana ny olona ho ao amin'ny Tompo, fa misy hatrany ny mpanohitra ny fahamarinana . Mijoro amin'ny fitiavana sy ny fihavanana ny mpitarika mba ahatonga ireny ho amin'ny fibebahana. Resena sy ravana amin'ny fitiavahana sy ny fampihavanana ny fandrika sy ny fikasan'ny devoly. Mpitarika mahay mampianatra sy mitondra ho amin'ny fibebahana no mpampianatra sitraky ny Tompo. Izany no afaka handresena ny fampianaran-diso sy ny devoly.

Fanontaniana :
Manao ahoana no toetra takian'ny fompo amin'ny mpitarika eo amin'ny fiangonana handresena ny fampianaran-diso ankehitriny ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12