vendredi 10 août 2018

Zoma 10 Aogositra 2018 - Asa 12 : 18 - 23

18Nony nazava ny andro, dia somaritaka be ihany ny miaramila mpiambina nifanontany momba izay niafaran'i Petera. 19Nampikarohin'i Herôda izy, nefa tsy hita. Dia nalaina am-bava ireto mpiambina ary nasainy novonoina. Avy eo dia niala tao Jodea i Herôda ka nankany Kesaria ary nipetrapetraka tany.

20Tezitra izaitsizy tamin'ny mponina tany Tiro sy Sidôna i Herôda. Ry zareo kosa anefa niray saina nanatona ny mpanjaka. Rehefa nahazo an'i Blasta mpitandrina ny trano fandrian'ny mpanjaka ho namana izy ireo, dia nangataka hanao raharaham-pihavanana tamin'i Herôda, satria ny tanin'ny mpanjaka no mamatsy ny faritr'i Tiro sy i Sidôna.

21Tamin'ny andro voatendry, dia nitafy ny fanamiana maha mpanjaka i Herôda ary nipetraka teo amin'ny sezafiandrianana ka nikabary ampahibemaso tamin'ny solotenan'i Tiro sy i Sidôna. 22Ary ny vahoaka tafavory niantsoantso hoe:
–Andriamanitra izany miteny izany fa tsy mba olombelona12.22 Ampit Ezek 28.2.!

23Niaraka tamin'izay dia nisy anjelin'ny Tompo namely an'i Herôda, noho izy nihambo hitovy saranga amin'Andriamanitra; ka dia nohanin-kankana no nahafaty azy (Tamin'ny taona 44 no nahafatesan'i Herôda Agripa I. Tampoka sady hafahafa ny fahafatesany, araka ny filàzan'i Jôsefa Flàvy, mpitantara jiosy. Ampit Dan 5.20 [sy 2Mak 9.1-28]..)

Andriamanitra manafaka izay ampahoriana
1- Manafaka an'i Petera Andriamanitra
Heroda Agripa I no tena anaran'ity mpanjakan'ny Jiosy ity, izay namono sy nampahory vahoaka sy ny Apostoly Jakoba. Nikasa hamono an'i Petera ihany koa izy, fa ny Tompo nanafaka an'i Pelera tao an-tranomaizina. ka hoy i Heroda "nankaiza i Petera" (and 18). Novonoiny ihany koa ny mpiambina. Mivavaha mba hino ny Tompo ny mpanapaka.

2- Manafaka ny jentilisa Andriamanitra
Misitraka ny fanafahana ataon'Andriamanitra ihany koa nv Jentilisa: ny Tyriana sy ny Sidoniana, tamin'izao fahafatesan'i Heroda izao. Manafaka izay ampahoriana nv Tompo. eny na dia izay mbola tsy mino azy aza. Tsy nampoizin'ny jentilisa izao fanafahana izao fa noho ny asan'nv Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka.

3- Mitsara ny mpitsara tsy marina Andriamanitra
Nampahory fatratra ny mpiara-belona i heroda, na ny vahoaka, na ny mpino. Nanandra-tena ho andriamanitra izy, teo anatrehan'nv vahoaka sy ny faritra nofeheziny ary ny vahoaka ihany koa niankohaka sy nanandratra azy ka nanao hoe : « feon'Andriamanitra izany » (and 23). Izay naka ny toeran' Andriamanitra dia manao herisetra mandrakariva, ka manampatra fahefana amin'ny vahoaka. Andriamanitra marina no mitsara ka dia nohanin'nv kankana imasom-bahoaka i Heroda ary maty. Matokia ny Tompo izav rehetra ampahoriana fa Izv no miady ho an'ny vahoakany sy ny mpanompony (Eks 1-1,14 : Deo 3,20).

Fanontaniana:
Mba mahita ny fanafahan'ny Tompo ve ny olona izay manodidina amintsika kristiana?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12