mercredi 1 août 2018

Alarobia 01 Aogositra 2018 - Eks 2 : 11 - 17

11Indray andro, nony efa lehibe i Mosesy, dia niainga nankany amin'ireo mpiray firenena aminy ka nahita azy tao anatin'ny fanompoana mafy. Hitany fa nisy lehilahy ejiptianina iray nikapoka Hebreo iray isan'ny mpiray firenena aminy. 12Nijerijery manodidina i Mosesy ka hitany fa tsy nisy olona; dia novonoiny ho faty ilay Ejiptianina ary nasitriny tao anaty fasika. 13Nony ampitso dia nivoaka indray izy ary nahita Hebreo roalahy niady, ka nanao tamin'ilay diso hoe:
–Nahoana no mikapoka ny mpiray firenena aminao ianao?

14Fa novaliany hoe:
–Iza no nanendry anao ho lehibe hitsara ny adinay? Sa tadiavinao hovonoina ho faty toy ny namonoanao an'ilay Ejiptianina aho?

Fantatr'i Mosesy tamin'izany fa nisy nahalala ilay raharaha ka raiki-tahotra izy. 15Henon'ny Farao tokoa izany, koa notadiaviny hovonoina ho faty i Mosesy. Dia nandositra lavitry ny Farao i Mosesy, ka lasa nialokaloka tany amin'ny tany Midiana, ary nipetraka teo anilan'ny fantsakana (And 11-15: Jereo Asa 7.23-29; Heb 11.24-27. –Ny hoe Midiana dia anarana faobe ilazana ireo foko mpirenireny tany amin'ny faritra atsimo sy atsimo atsinanan'i Palestinina; araka ny Gen 25.2 dia zanakalahin'i Abrahama i Midiana. –Teo anilan'ny fantsakana: eo no toerana izay mety indrindra ahazoan'ny vahiny mihaona amin'ny olona tompontany..)

16Nanan-janaka fito mirahavavy ny mpisorona Jetrao (Jetrao: dia antsoina koa hoe Rehoela.) tao Midiana. Tonga hantsaka rano ireo ary hameno ny tavin-drano mba hampisotroana ny ondry aman'osin-drainy. 17Fa tonga ireo lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka ireto zazavavy; dia nitsangana i Mosesy ka namonjy ireto zazavavy sady nampisotro ny biby fiompy.

Mamonjy ny Isiraely Andriamanitra

1- Manafaka ny rahalaliiny ampiìhoriiina i Mosesv
I Mosesy dia Hebreo notezaina tao amin'i Farao, izay ''tonga zanany'' (and 2,10). Nanjary zanaka mpanjaka i Mosesy ; nahazo ny fitaizana sy ny tombontsoa rehetra tao an-dapa sady notezain'ny reniny rahateo. Rehefa lehibe ka nivoaka ny lapa izy dia nahita ny fampahorian' ny Egyptiana ny Hebreo rahalahiny. Nijoro hiaro ny Hebreo izy (and 12). Nitsangana hampisaraka ny Hebreo rahalahiny niady izy (and 13). Nisafidy hitoetra amin'ny maha vahoakan'Andriamanitra azy i Mosesv, hitondra fanafahana ny rahalahiny sy ny fireneny. Mitaky safídy sy fanapahan-kevitra ny fijoroana hiady amin'ny herisetra (ampitahao Heb 11.24).

2- Manafaka ireo vehivavy hafa firenena i Mosesy
Rehefa niharan'ny herisetra tany Egypta ka nandositra tany amin'ny tany Midiana i Mosesy dia nahita ny zanakavavin'ny mpisorona tao, izay nosetrasetrain'ny mpiandry ondry. « Nitsangana izy ka namonjy azy » (and 17). Rehefa nandray antso sy nisafidy ho amin'ny fanafahana sy ny famonjena ny hafa ny mpanompon' Andriamanitra, dia tsy afa-miala amin'izany. Izay fitaizana azontsika avy amin' Andriamanitra sy ataon'ny rav aman-dreny amin'ny finoana dia manefy olona hitondra fanafahana ny olona iharan' nv herisetra. Miandany hatranv amin'ny olona mila vonjy ny mpanompon' Andriamanitra izay notezaina tamin'ny fitiava-tanindrazana

Fanontaniana :
Fitaizana sy fanabeazana manao ahoana no ilain'ny firenena ataon'ny ankohonana sy ny fiangonana?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12