jeudi 9 août 2018

Alakamisy 09 Aogositra 2018 - Sal 18 : 1 - 6

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hira nataon'i Davida mpanompon'ny TOMPO. Notononiny hanomezam-boninahitra ny TOMPO ireto teny ireto fony izy nafahany tamin'ny fahavalony rehetra, indrindra tamin'i Saoly.

2TOMPO ô, tiako Ianao
fa Ianao no heriko!

3Ny TOMPO no harambato
fierena azo antoka ho ahy.
Izy no Andriamanitro
sy vatolampy ialofako,
ampinga fiarovana
sy mpamonjy mahery ho ahy.
4Hoderaina anie ny TOMPO! Fa niantso Azy aho,
dia voavonjy ho afaka amin'ny fahavaloko.
5Toy ny fatotra mangeja ahy ny fahafatesana
sady nampitahotra ahy toa riaka mandrava;
6toy ny fatotra ahodidina ahy ny fonenan'ny maty,
toa harato amandrihana ahy ny fahafatesana.

Midera an'andriamanitra Mpamonjy

1- Tiavo amin'ny fonao rehetra Andriamanitra
Manambara ny fitiavany feno an'Andriamanitra i Davida Mpanjaka. Jehovah no heriny ka nahatonga azy handresy ny fanenjehana sy ny herisetra nataon'i Saoly azy (2 Sam 22, 1-51). Ny fandresena ny fahavalo sy ny mpankahala dia ny fiderana an'Andriamanitra sy ny fanomezam- boninahitra Azy. Tsy ny otripo na ny valifaty. na ny herisetra no handresena ny fahavalo fa ny fitiavana.

2- Matokia an'Andriamanitra
Tanisain'i Davida eto ny finoany an'Andriamanitra, Izay sadv mpiaro azy amin'nv mpankahala sy ny fahavalony, no fiadiana mampandresy azy. Manambara izany fa tsy i Davida no miadv amin'ny fahavalony fa ny Tompo. Finoana lehibe izany. Amin'ny herisetra rehetra mihatra amintsika dia matokia ny Mpamonjy, ary aza miankina amin'nv herintsika. Matokia Azy amin'ny fonao rehetra dia handresy hatrany.

3- Miantsoa an'Andriamanitra
Andriamanitra velona ny Tompontsika. Miantsoa Azy, na ho fiderana, na ho fitarainana (and 3-6). Mihaino ny vavaka araka nv sitrapony Izy ka manilika ny fahavalo sy mametraka harato tsy hidinantsika mpino amin'ny fahatátesana sy ny fiainan-tsy hita (and 5). Akaiky antsika Izy ary manara-maso ny fiainan'ny mpanompony, izay efa nofidiny. Mihaino sy mijery any an-danitra Izy. Ny lanitra no tempoly ambaran'ny Mpanao Salamo eto. Mifandraisa tsy tapaka amin'ny Tompo amin'ny fivavahana sy ny fisaorana (1 Tes 5,17).

Fanontaniana :
Ahoana no endrika anehoantsika ny fitavana an' Andriamanitra amin'nv fontsika manontolo ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12