jeudi 2 août 2018

Alakamisy 02 Aogositra 2018 - Jak 4 : 1 - 10

1Avy aiza moa ireo ady sy fifandirana eo aminareo? Ny fototr'ireny dia ny filàndratsinareo, filàndratsy izay miady ao amin'ny tenanareo. 2Mitsiriritra zavatra ianareo nefa tsy mahazo, dia mamono olona; maniry mafy hanan-javatra ianareo nefa tsy afaka manana, dia mifanditra sy miady. Tsy manana ianareo, satria tsy mangataka amin'Andriamanitra; 3mangataka amin'Andriamanitra ianareo nefa tsy mahazo, satria ratsy fangataka: izay hiaranan'ny filàndratsinareo no angatahinareo. 4Olona mivadika amin'Andriamanitra ianareo! Tsy fantatrareo ve fa izay misakaiza amin'izao tontolo izao dia fahavalon'Andriamanitra? Koa na iza na iza te ho sakaizan'izao tontolo izao, dia mampahatonga ny tenany ho fahavalon'Andriamanitra. 5Aza heverinareo fa tsy misy antony ny tenin'ny Soratra Masina hoe: «Feno faniriana mirehidrehitra ny fanahy izay napetrak'Andriamanitra ao anatintsika (Feno... anatintsika: dkt hafa Ilay Fanahy Masina izay namponenin'Andriamanitra ao anatintsika dia tena saropiaro antsika na hoe Mahasaropiaro an'Andriamanitra tokoa ny fanahy napetrany ao anatintsika. Io rijan-teny io dia tsy hita na ao amin'ny Test. T. na ao amin'ny Test. V..») 6Manome antsika fahasoavana lehibe lavitra anefa Andriamanitra, satria hoy ny Soratra Masina: «Toherin'Andriamanitra ny mpiavonavona, fa omeny fahasoavana kosa ny manetry tena (Ohab 3.34, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta..)» 7Koa maneke an'Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra lavitra anareo izy. 8Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy (Ampit Za 1.3; Mal 3.7..) Sasao ny tananareo, ry mpanota; ary diovy ny fonareo, ry mpiroa fo. 9Malahelova, mitomania ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo ary hody alahelo ny fifalianareo. 10Manetre tena eo anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.

Ny fandresena ny herisetra

1- Mivavaha araka ny sitrapon'Andriamanitra (and 1-4)
Misy herisetra asehon i Jakoba eto : ny ady an-trano eo amin'ny samy mpino (nnd 2). « ny fandrafìana an' Andriamanitra» dia ny fijangajangana na fanompoan- tsampy sy «fisakaizana amin 'izao tontolo izao » (and 4). Tsy hahila ny fahasoavana mirotsaka aminy ny izay mangataka ny hanatanterahan'ny Tompo ny filan'ny nofo eo aminy. Diso fangataka no ilazana azy (Jak 4,3). Mivavaha araka ny sitrapon'ny Tompo dia ho hitantsika ny fahasoavany.

2- Manetre tena eo anatrehan'Andriamanitra
Ampianarin'i Jesoa Kristy ny fanetren-tena isika kristiana . Nidina tety an-tany i Jesoa Kristy hamonjy ny mpanotà, koa manatona Azy, « dia hanalona anareo Izy» ( and 7). Miteraka etika na fitondran-tena masina sy marina ny fonenan'ny Tompo ao anatintsika sy ny fanatonana an'Andriamanitra. « Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran'nv Tompo hiala amin'ny ratsy »2 Tim 2,19. Vokany, miala amin'ny fahotana ka manadio tànana, manadio fo, mahatsiaro ory sy mitomany noho ny fahotana vita (and 8-9). Izany no atao hoe : fihavaozam-panahy. izay mitondra ho amin'nv fivavahana marina.

3- Ny fankatoavana an'Andriamanitra
Ambara fa toherina ny devoly mpiampanga . mpanaratsy . mpamily làlana,... Rehefa manaiky an' Andriamanitra sy ny teniny ny mpino dia resy ny fikorontanam-piangonana sy ny fahotam-piangonana. ny haratsiana ary ny filàna rehetra miady ao anatin'ny kristiana tsirairay (and I).

Fanontaniana :
Inona ihanv koa no karazana herisetra mety ataontsika amin'ny Tompo sy ny namana '? Azo resena ve izany ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12