mardi 7 août 2018

Talata 07 Aogositra 2018 - II Kor 1 : 3 - 11

3Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika, ilay Ray feno hatsaram-po sady Andriamanitra loharanon'ny fampaherezana rehetra1.3 loharanon'ny fampaherezana rehetra:  (ampit Is 40.1; Sal 94.19.). 4Mampahery anay amin'ny fahoriana isan-karazany manjo anay Andriamanitra, ka ny fampaherezana azonay taminy no entinay mampahery ny olona ianjadian'ny fahoriana isan-karazany. 5Miara-mijaly be dia be amin'i Kristy izahay; ary betsaka araka izany koa ny fampaherezana azonay amin'ny alalan'i Kristy. 6Raha ampahorîna izahay, dia ho fampaherezana anareo sy ho famonjena anareo izany; raha ampaherezina izahay, dia ho fampaherezana anareo koa izany, ka miasa hiaretanareo fijaliana mitovy indrindra amin'izay entinay. 7Ary miorina mafy ny fanantenany ny aminareo, satria fantatray fa toy ny iombonanareo fijaliana aminay no iombonanareo fampaherezana aminay koa.
8Tianay, ry havako, ny hahalalanareo ny fahoriana nanjo anay tany amin'ny faritany Azia; nitambesatra loatra taminay izany ary tafahoatra ny zakanay, ka tsy nanantena intsony izay hoe mbola ho velona izahay (Ampit 1Kôr 15.32. –Ny faritany Azia dia faritany rômanina manana an'i Efeso ho renivohiny.). 9Tsapanay tao amin'ny tenanay fa voaheloka ho faty izahay, mba tsy hitokianay amin'ny tenanay, fa hitokianay amin'Andriamanitra Izay manangana ho velona ny efa maty. 10Izy no nanafaka anay tamin'ny fahafatesana nananontanona anay(tamin'ny fahafatesana nananontanona anay: dkt hafa, araka ny stf sasany, tamin'ny fahafatesana mahatsiravina.) , ary dia mbola hanafaka any hatrany; eny, Izy no antenainay fa hanafaka hatrany, 11satria ianareo koa hanampy anay amin'ny fivavahana ataonareo ho anay. Dia ho maro ny olona hisaotra an'Andriamanitra ny aminay satria maro no nangataka mba hahazoanay izany fitahiana izany.

Andriamanitry ny fampiononana ny Tompo

1- Isaorana Andriamanitry ny fampiononana
Andriamanitra ny fiaretana sy ny fampiononana i Jesoa. Nitondra fahoriana ho famonjena izao tontolo izao Izy. Fantany sy niainany ny herisetra hatramin'nv fahafatesana teo amin'ny hazofijaliana. Natao isaorana sy ankasitrahana ny Tompo ny fisedrana sy ny herisetra atrehin'ny kristiana. Fampianarana raisintsika kristiana ao amin'i Kristy, izay nijaly ho antsika izany (and 5), koa raiso ho fifaliana isaorana ny Tompo ny fahoriana mihatra amintsika mpino.

2- Miombom-pahoriana amin'ny fiangonana ny Apostoly
Ny fitondram-pahoriana amin'ny fanarahana ny Tompo eo amin'ny fiangonana dia fandresena. Miombom-pahoriana amin'ny Tompo ny Apostoly ary mizaka fahoriana noho ny amin'ny fiangonana. Mitovy lanja ny fahoriana sy ny fíononana ho an'ny mpino ka mitondra fíadanana.

3- Miombom-pamonjena ny mpanompon'Andriamanitra
Tsy mijanona ho fahoriana sy fijaliana mandrakariva ny fiainana kristiana. Manafaka sy mbola hanafaka amin'ny fahafatesana ny Tompo. Ny asan'ny fiangonana amin'ny fivavahana dia mitondra fisaorana ataon'ny maro (and II). Ny asa fanompoan'ny fiangonana dia mitondra ho amin' nv fankasitrahana sy fanomezam-boninahitra an' Andriamanitra. Manomboka sy mifarana amin'ny fisaorana ny Tompo ity Soratra Masina nodinihantsika ity. Ataovy izany na dia miatrika herisetra aza ny mpino.

Fanontaniana :
Ahoana no anehoantsika kristiana sy ny fiangonana fiombonana eo anatrehan'ny herisetra mianjady amintsika ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12