dimanche 19 août 2018

Alahady 19 Aogosittra 2018 - Efe 4 : 25 - 5 : 2

25Noho izany, ialao ny lainga; aoka samy hilaza ny marina amin'ny namany avy4.25 Jereo Za 8.16., fa isika rehetra dia samy anisan'ny tena iray ihany ka mifampiankina.

1Koa manafaha an'Andriamanitra ianareo, satria zanaka lalainy5.1 Ampit Lev 19.2; Mt 5.48.. 2Ny fitiavana no aoka hanenika ny fitondrantenanareo, tahaka ny nitiavan'i Kristy antsika sy nanolorany tena tamin'Andriamanitra toy ny fanatitra sy sorona manitra mamerovero ho fanasoavana antsika5.2 Ampit Eks 29.18. –nitiavan'i Kristy antsika: misy stf sasany ahitana hoe nitiavan'i Kristy anareo. 26Raha sendra tezitra ianareo, dia aza manota (Ahatsiarovana ny Sal 4.5 araka ny dkt grika tranainy Septoazinta.): aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. 27Aza omen-toerana ny devoly. 28Izay nangalatra, aoka tsy hangalatra intsony; fa aleo mikely aina manao zavatra tsara, mba hisy homeny izay sahirana. 29Aoka tsy hisy teny maloto aloaky ny vavanareo; fa mba teny mahasoa atao, hampandrosoana ny olona amin'ny finoana araka izay sahaza azy, ka hitondra soa ho an'izay mandre. 30Aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra4.30 Ampit Is 63.10. ianareo fa ny Fanahy Masina no tombokase nahatonga anareo ho fananan'Andriamanitra, mba ho tody amin'ny andro hanavotana tanteraka anareo. 31Aoka ianareo tsy ho mpanao an-dolompo, tsy ho vinitra, tsy ho mora tezitra, tsy ho avo vava, tsy hanevateva: esory lavitra anareo avokoa izany, miaraka amin'ny haratsiam-panahy isan-karazany. 32Fa aoka samy ho mora fo sy antra amin'ny namany avy ianareo; mifamelà heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra heloka anareo noho ianareo miray amin'i Kristy (Ampit Mt 6.12, 14. –namelan'Andriamanitra heloka anareo: misy stf sasany ahitana hoe namelan'Andriamanitra heloka antsika.) .

Nv mino mitafy toetra vaovao

Ny tokony ho toetran'ny mpino mitafy fiainana vaovao no tanisain'i Paoly eto. Izany mpino mitafy toetra vaovao izany no afaka nv hanohitra ny herisetra satria:

1- Manaiky havaozin'ny Fanahy Masina izy (and.25-31)
Tanisain'i Paolv sy ataony lisitra mihitsy ireo ezaka rehetra tsy maintsy ataon'ny mino mha hananany fitondra- tena mendrika: miala amin'ny lainga ka milaza ny marina, tsy manota na dia tezitra aza, tsy mangalatra. tsy miteny maloto. Miala amin'ny fo lentika. fahavinirana. fahatezerana, fítabatabana fitenenan-dratsy, lolom-po. Izany no hatao dia ny mba hisorohana ny fanaovana herisetra sy ho fanoherana izany. Ny fanekena hotarihin' nv Fanahy Masina sy ny fanekena ny hohavaoziny no hitafiana toetra vaovao sy hahatanterahana ireo voatanisa eo ambony ireo.

2- Manahaka ny Tompo izv (and.5,2)
llàna fahafoizana, fanoloran-tena, fitiavana, fahalem- panahy ary fahavononana hamela heloka hatrany ny ady atao ho fanoherana ny herisetra. Izany no tsy maintsv hanahafantsika ny toetran'Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy. Andriamanitra Ray no ilay nahafoy ny sarobidy teo Aminy indrindra mba ho famonjena antsika. I Jesoa kosa no Ilay feno fitiavana ka nanolotra ny ainy hamonjy ny hafa. Nanana fahalemem-panahy sy fiantrana ary namela heloka mandrakariva Izv.

Fanontaniana:
Efa tonga olom-baovao ao amin'i Kristv ve ianao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12