mercredi 8 août 2018

Alarobia 08 Aogositra 2018 - Mat 26 : 47 - 56

47Raha mbola niteny i Jesoa, dia indro tonga i Jodasy, anankiray amin'ny 12 lahy; ary olona maro nirongo sabatra sy kibay, irak'ireo lohandoha-mpisorona sy ireo loholon'ny vahoaka jiosy, no tafaraka taminy. 48Ilay hanolotra an'i Jesoa dia efa nanome famantarana azy ireo toy izao: «Izay horohako no Izy, ka sambory.» 49Ary nanatona an'i Jesoa avy hatrany i Jodasy, ka nanao taminy hoe:
–Mpampianatra ô, ho ao aminao anie ny fiadanana!

Dia nanoroka Azy i Jodasy. 50Fa i Jesoa kosa niteny hoe:
–Ry sakaiza, izany ve no alehanao eto (Izany ve no alehanao eto: dkt hafa ataovy izay alehanao eto, na hoe maninona atỳ ianao?

Tamin'izay dia nohatonin'ireo iraka i Jesoa, ary nohazoniny sady nosamboriny. 51Indro kosa ny anankiray tamin'ireo nomba an'i Jesoa fa naninjitra tanana ka nanatsoaka sabatra, ary namely ny mpanompon'ny mpisorombe ka nahafaka ny sofiny (Ampit Jôh 18.26.). 52Ary dia hoy i Jesoa tamin'io mpianany io:
–Avereno amin'ny toerany ny sabatrao, fa izay rehetra mamely amin'ny sabatra dia ho fatin'ny sabatra. 53Heverinao ve fa tsy azoko atao ny mangataka amin'ny Raiko, ary ankehitriny izao ihany Aho dia handefasany anjely marobe mihoatra noho ny andian-tafika 12? 54Kanefa raha izany, ahoana no hahatanterahan'ny Soratra Masina izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izao?

55Tamin'izay fotoana izay i Jesoa dia niteny tamin'ny andian'olona nirahina hoe:
–Toy ny hisambotra jiolahy izato fiavinareo mirongo sabatra sy kibay hisambotra Ahy! Isan'andro Aho dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly, kanefa tsy nosamborinareo. 56Fa tonga kosa izany rehetra izany mba hahatanterahan'izay voalazan'ireo mpaminanin'Andriamanitra ao amin'ny Soratra Masina.

Tamin'izay dia nandao an'i Jesoa ny mpianatra rehetra ka nandositra (Ampit 26.31.)

Miatrika ny físamborana ny tenany i Jesoa Kristy

1- Amin'ny alalan'nv teniny i Jesoa Kristy
Tonga ny Mpisambotra an'i Jesoa izay notarihan'i Jodasv. « Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy. » hoy ny Tompo (and 46). Manatona an'i Jesoa ilay sady mpianatra no fahavalony. Miatrika ny fahavalony amin'ny teniny ny Tompo : « Ry sakaiza ataovy izay nalehanao eto » (and 50), hoy Izy tamin'i Jodasy. iraka mitarika ny mpisambotra Azy. Mahery ny tenin'ny Tompo handresena ny herisetra sy ny tsy fahamarinana. Tsy maty araka izay niheveran'ny mpisambotra azy ny fifanandrinana tamin'i Jesoa : tsy ady amin'ny nofo sy ny herim-batana ny an'i Jesoa. Ampy hitondra fandresena sy fìlaminana ny teniny: « Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao » (and 52), hoy Izy tamin'i Petera.

2- Manatanteraka ny Soratra Masina ì Jesoa Kristvy
Vonona ho amin'ny fisamborana Azy ny Tompo noho ny tenin'Andriamanitra. Tsy miaro tena hiala amin'ny fahoriana sy ny fahafatesana i Jesoa Kristy Tompo. Tsy mampiasa hery sy ny fahefany ny Tompo, na dia manana anjely toy ny tafika roa ambinifolo legiona azony irahina (and 53). Tsy zava-dehibe amin'ny Tompo ny hanavotra sy hamonjy ny ainy fa ny hanolotra izany mba hanavotany ny very. Nialan'i Jesoa Kristy ny fifandonana mba hahatanteraka ny fanirahana Azy, araka izay voasoratra. Sambatra izay mahatsiro ny antony sy ny tanjona kendren'ny Tompo amin'ny fanirahana atao aminy.

Fanontaniana :
Ahoana no fiainana sy fampiasa ny tenin'i Jesoa Kristy hiatrehana izao tontolo izao miharatsy ankehitriny ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12