vendredi 17 août 2018

Zoma 17 Aogositra 2018 - Rom 12 : 17 - 21

17Aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin'iza na amin'iza. Miezaha hanao ny tsara eo imason'ny olona rehetra. 18Ary raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra. 19Aza mamaly faty, ry hava-malala, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no avelao hiasa, satria izao no voalazan'ny Soratra Masina: «Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo.» 20Fa «raha noana ny fahavalonao, dia omeo hanina; raha mangetaheta, dia omeo rano hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanangona vainafo eo an-dohany12.20 Momba ny and 19-20: and 19: Deot 32.35. –and 20: Ohab 25.21-22, voatsiahy araka ny dkt grika tranainy Septoazinta. vainafo: vainafon-kenatra izany; ny RM kosa manao hoe hanala vainafo (=vainafom-pahoriana) eo an-dohany. .» 21Aza mety ho resin'ny ratsy, fa reseo amin'ny tsara ny ratsy.

Ho fisorohana ny herisetra

Toro-marika maromaro no omen'ny Tompo antsika eto ho fanehoana eo anivon'ny fiaraha-monina fa tena mpino kristiana marina tokoa isika. Azo atao ny miaina ireo mba ho fisorohana ny herisetra.

1- Aza mamaly ratsy ny ratsy (and 17.19)
Na mikendry ny hanisy ratsy antsika aza ny hafa. Ho fisorohana ny herisetra sy tsy  aha tafalatsaka antsika amin'ny fanaovana izany dia aoka hiomana hanao izay mahamendrika mandrakariva isika ka tsy hamaly ny ratsy ny ratsy. Ny Tompo hiady ho antsika fa isika kosa hangiana (Deo 32.35). Ho fisorohana izany indrindra dia ny fanehoam-pitiavana izay mikasa hanao herisetra na manao herisetra amintsika no takian'ny Tompo amintsika (and 20-21)

2- Mihavàna amin'ny olona rehetra (and 18)
Ny fifandrafiana sy ny adilahy no anisan'ny miteraka herisetra be indrindra. Izay misoroka ny tsy hisian'ny fifandrafiana sy ny ady no misoroka ny tsy hisian'ny herisetra. Taomin'ny Tompo isika mpino mba ihavana amin'ny olon'ny olona rehetra, araka izay azo atao, sy hampanjaka ny fihavanana eo amin'ny sehatra rehetra misy antsika. Ny hampanjaka ny fíadanana izay midika ho filaminana, fihavanana, fandriam-pahalemana firindram- piainana no antom-pahatongavan'i Jesoa ho olona teto amin'izao tontolo izao.

Fanontaniana:
Efa mba nanao soa izay nanisy ratsy anao ve ianao?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12