mercredi 22 août 2018

Alarobia 22 Aogositra 2018 - Mpi 19 : 22 - 30

23Dia nivoaka nankeo amin'ireo faikan'olona ilay rangahy tompon-trano ka nanao taminy hoe:
–Tsia, aza manao izany zava-dratsy izany ianareo, ry mpiray tanàna; fa iny lehilahy iny tonga mba hiantrano ato amiko, ka aza anaovanareo izany zavatra mamoafady izany. 24Indro ny zanako vavy virijiny hoentiko eto aminareo, ka azonareo alaina sy anaovanareo izay sitrakareo; fa aza iny lehilahy iny no hanaovanareo izany zavatra mamoafady izany.

25Tsy nety nihaino anefa ireo faikan'olona ireo, koa navoakan'ilay levita hankao ivelany ny vadikeliny. Ary ireo dia nanolana an-dravehivavy ka nanaram-po taminy nandritra ny alina manontolo, ary tsy namela azy raha tsy efa nangiran-dratsy ny andro. 26Ary nony efa nadiva ho maraina, dia tonga nitrosina teo am-baravaran'ny tranon'ilay lahiantitra izay nitoeran'ny lahy izy, ary niampatra teo ambara-pahamarain'ny andro. 27Ary nony maraina, dia nitsangana ny lahy ka namoha ny varavarana ary nivoaka ny trano mba hanohy ny diany; kanjo indro ny vavy efa miampatra eo am-baravarana ary mamikitra eo amin'ny tokonana. 28Dia hoy izy taminy:
–Mitsangàna, ramatoa, fa handeha isika.

Nefa tsy nisy valinteny. Koa nasampin'ilay levita teo ambony borikiny ny fatin'ny vadiny, dia lasa izy nody tany aminy. 29Rehefa tonga tany an-tranony izy, dia nodidiany tamin'ny antsy sady norasarasainy ho toko 12 ny fatin'ny vadiny, ka nandefasany toko iray avy isam-poko manerana ny tanin'i Israely.

30Ary izay rehetra nahita izany dia samy loa-bolana hoe:
–Tsy mbola nisy zavatra nitranga na hita toy ity mihitsy hatramin'izay nialan'ny Israelita tany Ejipta ka mandraka androany.

Sady nofeperan'ilay levita rahateo moa ireo olona nirahiny mba hiteny amin'ny Israelita hoe:
–Efa nisy zavatra nitranga toy ity ve hatramin'izay nialan'ny Israelita tany Ejipta ka mandraka androany? Koa heveronareo izao raharaha izao, ary aoka ianareo hifampidinika sy hanapa-kevitra.

Tandremo! Atsaharo ny herisetra ara-nofo!

Karazana herisetra maromaro no hita eto amin'ity Soratra Masina ity saingy singanina manokana ireto noho izy ireo miha mahazo vahana eto amin'ny firenentsika: fampirafesana. firaisana ara-nofo amin'ny mitovy fananahana ary ny fanolanana.
Ezahina mafy ankehitriny ny mandresy lahatra fa fanohintohinana ny zo maha-olomhelona ny fanoherana ny fampirafesana sy ny firaisana ara-nofo amin'izay mitovy fananahana. Ezahina mihitsy ny mitaiza ny fiaraha-monina hanaiky ireny. Manginy fotsiny ny firongatry ny fanolanana, indìndra amin'ireo zaza tsy ampy taona sy ireo vehivavy iharan'nv fanafihan-dahalo. Ahariharin'ny Soratra Masina amintsika anefa ankehitriny fa sady fandikana ny Tenin'Andriamanitra ireny no herisetra ara-nofo ka tsy maintsy toherin'ny Fiangonana amin'ny heriny rehetra ireny; indrindra raha olon'ny Fiangonana 110no tafalatsaka ao anatin'ireny karazana herisetra ara-nofo ireny.
Hoy ny famaranana izao toko 19 izao: "...hevero izany, samia maka saina. ka ambarao"'. Mila mijoro isika Fiangonana hanohitra ny fampirafesana. ny fanaovana firaisana amin'izav mitovy fananahana, ary ny fanolanana. Ny fandikana ny didin'Andriamanitra no anisan'ny niteraka ny herisetra rehetra hita eto.

Fanontaniana:
Aiza ny toko sy andinin-tsoratra Masina mandrara ny fanaovana ireo tranga ireo?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12