lundi 13 août 2018

Alatsinainy 13 Aogositra 2018 - Eks 14 : 10 - 18

10Natopin'ny Israelita ny masony ka indreny ny Ejiptianina tamy manenjika azy, ary ny Farao dia efa mby akaiky. Raiki-tahotra loatra ny Israelita ka niantsoantso ny TOMPO 11sady niteny tamin'i Mosesy hoe:
–Moa tsy nisy fasana ve tany Ejipta no nentinao ho faty atỳ an-taniefitra izahay? Izao ve no namoahanao anay hiala tany Ejipta? 12Moa tsy izao zavatra izao ve no efa nilazanay taminao tany Ejipta hoe: «Avelao hilamina izahay hanompo ny Ejiptianina. Fa aleonay manompo ny Ejiptianina toy izay ho faty any an-taniefitra».

13Fa namaly azy i Mosesy hoe:
–Aza matahotra ianareo! Mahandrasa, fa ho hitanareo anio ny famonjena hataon'ny TOMPO aminareo! Satria ny Ejiptianina izay hitanareo androany dia tsy ho hitanareo intsony na oviana na oviana. 14Ny TOMPO no hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina fotsiny.

15Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:
–Nahoana no miantso vonjy amiko ianao? Ilazao ny Israelita mba handroso. 16Ingao ny tehinao, ka ahinjiro eo ambony ranomasina ny tananao. Ary saraho ny rano, dia hamaky eo afovoan'ny rano eo amin'ny tany maina ny Israelita. 17Fa Izaho hanamafy fo ny Ejiptianina ka hitsofoka hanenjika anareo izy. Dia hasehoko ny voninahitro amin'ny hanapotehako ny Farao sy ny andian-tafiny rehetra, ny kalesiny sy ny mpitaingina azy. 18Ho fantatry ny Ejiptianina amin'izay fa Izaho no TOMPO rehefa asehoko azy araka izany ny voninahitro.

Jehovah mamonjy ny Isiraely

1- Mamonjy ny Isiraely mitaraina aminy i Jehovah
Tsy nahakivy an'i Mosesy ny fanomezan-tsiny nataon'ny Isiraely izay resin'nv tahotra an'i Farao. Karazany maro ireo fanomezan-tsiny sy fanakianana ary teny mahery nataon'izy ireo tamin'i Mosesy. Toy izany hatrany no mahazo ny mpitarika mahatoky an'Andriamanitra. Tsy takatry ny olona ny finoana sy ny andraikitra apetrakv ny Tompo aminy, ka iharan'ny herisetra sy teny mahery. Manome toky i Mosesy noho ny Tenin'ny Tompo sy ny andraikitra azony : «aza matahotra ... Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina» (and 13-Ì4). Vonjen'Andriamanitra sy ataony mahafantatra ny maha Mpamonjy Azy ny vahoaka, ary tezainy ho mba hatoky Azy ny firenena nofidiny.

2- Miady ho an'ny Isiraely Andriamanitra
Tsy miasa irery i Mosesy, mpanompo sady irak' Andriamanitra hitarika ny Isiraely. Manatanteraka ny tenin'ny Tompo i Mosesy, fa manatanteraka izay nolazain'ny mpanompon'ny Tenin'Andriamanitra kosa ny Isiraely. Teny manafaka ny ory sady mampaherv ny irany ny tenin'ny Tompo. Solovavan'Andriamanitra izay mitondra fanafahana ny fìrenena sy ny vahoakan'Andriamanitra izy. Rehefà ambara marina sv mivantana ny tenin'ny Tompo dia manatrika ny vahoakany Andriamanitra. Mahazo tokv ihany koa ny ory sy ny malahelo satria tsy avelan'ny Tompo hiraviravy tànana amin'nyfampihorohoroana sy ny herisetra ny vahoaka.

Fanontaniana :
Mitondra fanomezan-toky ny ory sy ny malahelo tokoa ve ny toriteny sy ny tenin'ny Tompo toriantsika ?

Talata 11 Aprily 2023 - Isa 52 : 7 - 12